Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hery hiatrehana ny anio

Daty
Sabotsy 22 June 2024

 "Ary ho entiko miditra amin'ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro." — Zak. 13:9. 

Mofon’aina:
Mizaha toetra ny herin'ireo zanany Andriamanitra amin'ny alalan'ny fitsapana. Mahazaka tsara ve ny fo? Tsy meloka ve ny fieritreretana? Miara-milaza amin'ny fanahintsika ve ny Fanahy fa zanak' Andriamanitra isika? Tian'Andriamanitra ho azo antoka amin'ny alalan'ny fizahan-toetra avokoa ny amin'izany. Dioviny ho afaka amin'ny tain-drendrika rehetra isika ao amin'ny memin'ny fahoriana. Tsy fitiavana hampahory antsika tsy akory no antony amelany antsika hiharan'ny fitsapana fa mba hisarihana ny fijerintsika ho Aminy, mba hanamafy orina ny fifaharantsika, mba hampianarana antsika fa raha tsy mikomy isika fa matoky Azy, dia hahita ny famonjeny. (...) Mahery sady mamy ny fitiavan'i Kristy ny zanany. Fitiavana mahery noho ny fahafatesana izany satria nafoiny ho antsika ny ainy. Fitiavana mahatoky mihoatra noho ny fitiavan'ny reny ny zanany izany. (...) Hoy i Paoly: "Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, (..), na inona na inona amin 'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan 'Andriamanitra izay ao amin 'i Kristy Jesosy Tomp. ontsika. " — Rôm. 8:38,39. 
Omena fampaherezana lehibe isika amin'ny fitsapana tsirairay. Tsy efa fantatry ny Mpamonjy tsara ve ny fahalementsika? Tsy efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika ve Izy? Tsy efa nanasa antsika ve Izy hametraka Aminy ny olana sy ny fanahiantsika rehetra? Koa aoka isika tsy ho kivy ny amin'ny enta-mavesatry ny ampitso. Andeha hozakaintsika amin-kerim-po sy fifaliana ny enta-mavesatry ny anio. Anio isika no mila matoky sy mino, tsy nomena antsika ny hiaina ankoatra ny ankehitriny. Ilay manome hery hiatrehana ny anio no hanome hery hiatrehana ny ampitso. (..-) Tsy misy mandratra ny fanahy toy ny antsy maranitry ny fisalasalana sy ny tsy finoana. Rehefa tonga ny fitsapana, satria tsy maintsy ho avy izany, dia aza manahy na mimonomonona. Ny fanginan' ny fanahy no ahenoana mazava kokoa ny feon'Andriamanitra (Se. 37:7). (...) Mitondra anao ho amin'ny fanandramana mahafinaritra Izy. — HP, t. 269.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal