Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ankohonan'Andriamanftra

Daty
Alahady 23 June 2024

"Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony hianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan'Andriamanitra, natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesôsy no fehizoro indrindra." - Efes. 2:19,20. 

Mofon’aina:
Iasan'ny Tompo Jesôsy ny fon'ny olombelona ka anehoany famindrampo sy fahasoavany lehibe. Misy fanovana mahagaga ataony, hany ka manda mafy tsy hain'ny fitaka na ny hafetseny tohaina no fahitan'i Satana izany (...). Talanjona sy feno hafaliana ny anjelin'ny lanitra, ny serafima sy ny kerôbima, dia ireo hery nirahina hiara-miasa amin'ny olona, eo am-pitazanana ny olombelona lavo, izay efa zanaky ny fahatezerana, kanefa noho ny fanofanan'i Kristy dia manjary manam-pitoviana amin'Andriamanitra ary tonga zanany lahy sy zanany vavy sady manana anjara lehibe eo amin'ny raharaha sy ny fifalian'ny lanitra.

Nomen'ny Tompo fahafaha-manao sy fitahiana ny fiangonany mba hahafahany maneho amin'izao tontolo izao ny maha-ampy ny fahasoavany, ary koa mba ho tanteraka ao Aminy ny fiangonany, izay fanehoana tsy mitsahatra ilay tontolo hafa, dia ilay tontolo mandrakizay, sy fanehoana ireo lalàna izay ambony lavitra noho ny lalàna eto an-tany. Tokony ho tempoly voaorina arakany endrik ' Andriamanitra ny fiangonany. (...)

Ny fiangonana, izay mitafy ny fahamarinan' i Kristy, dia trano firaketany, ka ao no tokony hahitana mazava sy amin'ny fahafenoany ny haren'ny famindrampony sy ny fitiavany ary ny fahasoavany. Fahagagana ho an'ny mponin'ny lanitra, ary fifaliana lehibe ho azy ireo ny fanambaran'i Kristy ao amin'ilay vavaka nataony ho an'ny mpianany, fa lehibe tahaka ny fitiavan'ny Ray Azy, Izay Zanaka Lahitokan'Andriamanitra, ny fitiavan'ny Ray antsika, ary koa hiaraka Aminy any amin'izay itoerany isika ka ho iray amin'i Kristy sy ny Ray mandrakizay. Toy ny andry afo miaro ny fiangonany amin'ny herin'ny maizina ireo fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina, izay maro karazana sy miavosa. Ho an'i Kristy, ny vahoakany ao anatin'ny fahadiovana sy fahatanterahana tsy misy pentina no valin-kasasarany, izay niaretany fahoriana, fahafaham-baraka, izay tsy nitsitsiany fitiavana, ary fanehoana ny voninahiny. I Kristy no ivo izay iaingan'ny tara-pahazavana be voninahitra rehetra. — HP, t. 282. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal