Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsarovy ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony

Daty
Alatsinainy 24 June 2024

"Koa hazoto mandrakariva hampahatsiaro anareo ny amin'izany zavatra izany aho, na dia efa fantatrareo aza, ka efa naorina tsara amin'ny fahamarinana izay efa eo aminareo." — 2 Pet. 1:12. 

Mofon’aina:
Na toy inona na toy inona faharetan'ny diantsika mankany amin'ny fiainana mandrakizay dia ilaintsika ny mitantara ny famindrampo nasehon'ny Ray tamintsika sy ny manovo fanantenana sy hery ao amin'ireo teny fikasana ao amin'ny Teniny (...). Takatr'i Petera ny ilana fiambenana mandrakariva, ary tsapany fa manery azy ny Fanahy Masina mba hanantitrantitra amin'ny mpino ny maha-zava-dehibe ny fitandremana fatratra eo amin'ny fiainana isan'andro (…).

Oh! Raha mba hazonintsika mandrakariva ao an-tsaina mantsy ny momba ny mahasoa antsika mandrakizay, dia tsy hanao fahadalana isika na hiteniteny foana! Manoloana antsika ny asantsika mandritra ny fiainana. Anjarantsika ny manao izay haha-azo antoka ny fiantsoana sy ny fifidianana antsika, amin'ny alalan'ny fitandremana tsara ireo torolalana voarakitra ao amin'ny Teny masin'Andriamanitra (...) 

Azontsika atao ny maneho ohatra tsara araka ny tokony ho izy amin'ny alalan'ny fitenintsika feno fahamasinana, izay fananarana ho an'ny mpanao ratsy. Tsy azontsika atao ny maneho oha-piainana izay toa mankasitraka ny fanaovan-dratsy. Misy lanitra tokony hotratrarintsika ary helo tokony handosirana. Any amin'ireny fiangonan-dehibe ireny (...) dia ahina ny fitotonganana. Noho ny habetsaky ny mambra ao am-piangonana dia mirona kokoa ho amin'ny tsirambina sy ny tsy firaihana ny sasany, kanefa tsy ho toy izany raha vitsy na tsy maintsy hijoro irery izy ireo. Na tsy tsara aza anefa ny toe-javatra misy antsika dia azontsika atao mandrakariva ny miambina sy mivavaka ary maneho ohatra tsara amin'ny fomba fitenintsika, izay vavolombelona mahery miasa ho an'ny fahamarinana. (...) Aoka isika tsy hanao teny manakivy ny namantsika (...). Nanolotra ny ainy i Kristy mba hahafahantsika manana fiainam-boninahitra miaraka Aminy. Ho hita eo amin'ireo tanany mandrakizay ny marik'ireo fantsika tsy mifaditrovana nanomboana Azy teo amin'ny hazo fijalian' i Kalvary (... ).

Mivonona ho amin'ilay fiainana mandrakizay ho avy isika ankehitriny, ary tsy ho ela intsony, raha mahatoky isika, dia hahita ny vavahadin'ny tanànan'Andriamanitra hisokatra (...) mba hidiran'ireo izay nihazona ny fahamarinana handray ny lovany mandrakizay. — HP, t. 299. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal