Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny asa nanirahana antsika eto amin'izao tontolo izao

Daty
Talata 25 June 2024

"Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin'izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin 'izao tontolo izao." - Jao. 17:18. 

Mofon'aina:
Moa ve mahatonga antsika tsy ho afaka manao ny asa nanirahan'ny Tompo antsika ny fisarahantsika amin'izao tontolo izao noho ny fitandremantsika ny didin'Andriamanitra? Manakana antsika tsy hanao ny tsara amin'ny manodidina antsika ve izany? Tsia, arakaraka ny ifikirantsika amin'ny lanitra no vao mainka hahombiazantsika amin'ny asa. Aoka isika handinika Ilay Môdely mba ho ao anatintsika koa ny toe-tsaina izay tao amin'i Kristy. Tsy mba isan'ireo olo-malaza sy nomem-boninahitra teto amin' izao tontolo izao i Kristy. Tsy mba niaraka tamin'ireo nitady harena sy fahafinaretana Izy. Niasa ho fanampiana ny sahirana Izy, namonjy ireo very sy efa ho faty, nampiarina ireo nitanondrika, namaha ny fatoram-pahorian'ireo nandevozina, nampahery ireo mijaly, ary nanao teny feno fangorahana sy fampiononana ho an' ireo fadiranovana sy malahelo. Natao hanaraka izany ohatra izany isika. Arakaraka ny hananantsika ny toe-tsain'i Kristy no hitadiavantsika hanao soa ho an'ny mpiara-belona amintsika. (...)

Efa hikatona ny varavaram-pahasoavana (...). Tsy ho ela intsony dia ho voatonona ny vavaka farany ho an'ny mpanota, hilatsaka ny ranomaso farany, homena ny fampitandremana farany, hatao ny fitalahoana farany, ary tsy ho re intsony ilay feo mamin'ny famindrampo. Izany no mahatonga an'i Satana manao ny ezaka lehibe indrindra mba hihazonana ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin'ny fandriny (...). Ataon'i Satana izay hanesorana amintsika izay rehetra mety ho ara-panahy, ka ny fahasoavan'i Kristy ao am-pontsika dia soloany toetra ara-nofo fankahalana, eritreri-dratsy, fialonana, fitiavana an' izao tontolo izao (...). Mila hery hiatrehana ilay fahavalo isika, (...)

 Raha tsy miambina sy mivavaka mantsy isika dia hiditra hameno ny fontsika sy handroaka ny tsara rehetra ao am-pontsika ireo zava-dratsy ireo. Tena lehibe ny andraikitra mipetraka amin'ireo mpianatr'i Kristy. Tsy maintsy entina ho eo amin'izao tontolo izao rakotra haizina ny fahazavana avy any an-danitra. Arakaraky ny halehiben'ny haizina no tsy maintsy hamirapiratan'ny fahazavan'ny finoana sy ny oha-piainana kristianina. — HP, t. 312. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal