Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny asa nanirahana antsika eto amin'izao tontolo izao

Daty
Talata 25 June 2024

"Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin'izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin 'izao tontolo izao." - Jao. 17:18. 

Mofon'aina:
Moa ve mahatonga antsika tsy ho afaka manao ny asa nanirahan'ny Tompo antsika ny fisarahantsika amin'izao tontolo izao noho ny fitandremantsika ny didin'Andriamanitra? Manakana antsika tsy hanao ny tsara amin'ny manodidina antsika ve izany? Tsia, arakaraka ny ifikirantsika amin'ny lanitra no vao mainka hahombiazantsika amin'ny asa. Aoka isika handinika Ilay Môdely mba ho ao anatintsika koa ny toe-tsaina izay tao amin'i Kristy. Tsy mba isan'ireo olo-malaza sy nomem-boninahitra teto amin' izao tontolo izao i Kristy. Tsy mba niaraka tamin'ireo nitady harena sy fahafinaretana Izy. Niasa ho fanampiana ny sahirana Izy, namonjy ireo very sy efa ho faty, nampiarina ireo nitanondrika, namaha ny fatoram-pahorian'ireo nandevozina, nampahery ireo mijaly, ary nanao teny feno fangorahana sy fampiononana ho an' ireo fadiranovana sy malahelo. Natao hanaraka izany ohatra izany isika. Arakaraka ny hananantsika ny toe-tsain'i Kristy no hitadiavantsika hanao soa ho an'ny mpiara-belona amintsika. (...)

Efa hikatona ny varavaram-pahasoavana (...). Tsy ho ela intsony dia ho voatonona ny vavaka farany ho an'ny mpanota, hilatsaka ny ranomaso farany, homena ny fampitandremana farany, hatao ny fitalahoana farany, ary tsy ho re intsony ilay feo mamin'ny famindrampo. Izany no mahatonga an'i Satana manao ny ezaka lehibe indrindra mba hihazonana ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin'ny fandriny (...). Ataon'i Satana izay hanesorana amintsika izay rehetra mety ho ara-panahy, ka ny fahasoavan'i Kristy ao am-pontsika dia soloany toetra ara-nofo fankahalana, eritreri-dratsy, fialonana, fitiavana an' izao tontolo izao (...). Mila hery hiatrehana ilay fahavalo isika, (...)

 Raha tsy miambina sy mivavaka mantsy isika dia hiditra hameno ny fontsika sy handroaka ny tsara rehetra ao am-pontsika ireo zava-dratsy ireo. Tena lehibe ny andraikitra mipetraka amin'ireo mpianatr'i Kristy. Tsy maintsy entina ho eo amin'izao tontolo izao rakotra haizina ny fahazavana avy any an-danitra. Arakaraky ny halehiben'ny haizina no tsy maintsy hamirapiratan'ny fahazavan'ny finoana sy ny oha-piainana kristianina. — HP, t. 312. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (34)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal