Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Jeremia, ilay vavan'Andriamanitra

Daty
Alahady 21 July 2024

"Tsara ny miandry ny famonjen’i Jehôvah amin'ny fahanginana." - Fit. 3:26. 

Mofon’aina:
I Jeremia no anisan'ireo nanantena fifohazana ara-panahy mitohy avy amin’ny fanavaozana nataon'i Josia. Nantsoin'Andriamanitra ho mpaminany izy raha mbola tanora (...) Tao amin'ny fahatanorany dia hitan'Andriarnanitra tao aminy ny fahatokiany sy ny fijoroany ho mahatoky manoloana ny fanoherana lehibe (...) "Aza manao hoe: mbola zaza aho", raha nandidy Hay iraka nofidiny ny Tompo. "Fa handeha amin 'izay rehetra hanirahako anao hianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao. Aza matahotra azy ianao; fa momba anao hamonjy anao Aho." - Jer. 1:7,8 (...) Efapolo taona no nitsanganan'i Jeremia nanoloana ny firenena ho vavolombelon'ny fahatokiana sy fahamarinana. Tamin'ny fotoana niaingan'ny fihemorana dia nanome ohatra teo amin'ny fiainany sy ny fombany izy ny amin'ny fivavahana amin'Andriamanitra marina. Eo amin'ny toeran'ny olana tao Jerosalema dia i Jeremia no tsy maintsy vavan'i Jehôvah . -

Noho ny toetrany saro-kenatra sy ny toerana misy azy tsy nanao ahoana loatra, dia efa nikasa ny hilamindamina sy hiaina tsy misy rotoroto, tsy nilana fijoroana mitohy ho an'ity firenena maminy ity izy. Kanefa ny fony dia rotiky ny alahelo noho ny faharavana vokatry ny fahotana (...)

Nampianatra azy lesona momba ny hoe: "tsy an'ny olombelona ny lalan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny dianv" ny fanandraman'ny fahatanorana sy ny fiafaran'ny fiainana nandalovan'i Jeremia. Nianatra nivavaka izy hoe: "Jehovah ô, anaro aho, nefa araka ny antonony ihany; fa tsy amin 'ny fahatezeranao, fandrao hataonao tonga tslnontsinona aho." - Jer. 10: 23,24.

Tamin'ny fotoana niantsoana azy hisotro ny kapoaky ny fanenjehana sy ny fahoriana, ka voatariky ny fijaliany hilaza hoe: "Levona ny faharetako sy ny fanantenako an 'i Jehôvah "- Fit. 3:18, dia tsaroany ny fikarakaran'Andriamanitra teo aminy ka tamim-pandresena no nanambarany fa "Ny famindram-pon’i Jehôvah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany (..) Jehôvah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho." (and. 22-24)- CC, t. 237. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal