Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hery manadio sy mamelona

Daty
Sabotsy 17 August 2024

 "Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko." - Sal. 51:10.

Mofon’aina:
Manadio ny fo ny Tompo, toy ny rehefa avela hifamezivezy ao amin'ny efitrano iray ny rivotra. Tsy hoe manidy varavarana sy varavarankely isika ka avy eo manipy fanafody simika hanadio ny ao anatiny, fa vohantsika midanadana ireo mba hahafahan'ny rivo-piainan'ny lanitra miditra, mifamoivoy ary manadio (...). Tsy maintsy sokafana manandrify ny lanitra ny varavarankelin'ny fahataitairana sy ny fihetseham-po, ary avoaka any ivelany ny vovoky ny fitiavan-tena sy ny fitiavana an'izao tontolo izao. Aoka hamafa ny efitrefitra rehetra ao amin'ny saina ny fahasoavan'Andriamanitra, ka ireo lohahevitry ny lanitra no tsy maintsy dinihiny, ary ny singa ara-nofo tsirairay dia mila ny Fanahy Masina hanadio sy hamelona azy.

Tsy ho osa ara-pitondran-tena izay miaina araka ny foto-kevitry ny fivavahana ara-Baiboly. (...) Tsy misy na inona na inona mahababo ny fihetseham-po, sy mahakasika ny antony manosika ny asan'ny olona hatrany amin'ny ati-fanahiny lalina, ary manana hery manova fiainana sy mampiorina tsara ny toetra, toy ny fivavahan' i Kristy. (...) 

Ny fiangonana no tena ifantohan'ny fitiavan' i Kristy sy ny fikarakarany. Haneho ny toetrany amin'ny alalan'ny mambran'ny fiangonana Izy raha avelan'izy ireo. Hoy Izy aminy: "Hianareo no fahazavan 'izao tontolo izao (...)" — Mat. 5:14. Ireo izay miara-mandeha sy miresaka amin' Andriamanitra no manana ny hamoram-panahin'i Kristy. Hita eo amin'ny fiainan'izy ireo ny fandeferana, ny fahalemem-panahy, ny fifehezan-tena, ary ny zotom-po marina. Eo am-pizoran' izy ireo ho any an-danitra dia miala avokoa ireo melomeloka sy kitoantoana eo amin'ny toetrany ka miseho ny fahamasinana. Miasa eo amin'ny fanahy sy ny fo ny Fanahy Masina feno fahasoavana sy mahery.

Hovelomina, hodiovina, hotarihina, ary hofehezin'ny Fanahy Masina ny fo izay onenan'i Jesôsy , ary ny olombelona kosa hanao ny ezaka rehetra hampifandrindra ny toetrany amin'Andriamanitra. Hohalaviriny izay rehetra mifanohitra amin'ny sitrapo sy ny fisainan'Andriamanitra voambara. —GAG, t. 206. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal