Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy fotoana velively

Daty
Alatsinainy 19 August 2024

 "Izaho Jehôvah no mpiaro io; isaky ny indray mipi-maso no andemako azy, fandrao misy manimba azy; na andro na alina dia miaro azy Aho." — Isa. 27:2. 

Mofon’aina:
Ny fanahin'ny olona madio sy masina dia tsy afaka miala vetivety amin'izany toeram-pahadiovana sy fahamasinana izany ka hitotongana sy hiharatsy ary hahavita heloka bevava tampoka. Mitaky fotoana ny fiovan-toetran' ny olona na ho amin'ny tsara araka ny endrik'Andriamanitra, na ho amin'ny ratsy araka an'i Satana. Ny fibanjinantsika no manoya antsika. Na nohariana araka ny endriky ny Mpanao azy aza ny olona dia afaka manazatra ny sainy amin'ny fahotana ka hanjary hahafinaritra azy ny ota izay nankahalainy taloha. Vantany vao mitsahatra tsy miambina sy mivavaka izy dia mitsahatra tsy miambina ny mandany, dia ny fony. (...) Tsy maintsy toherina mandrakariva ny fisainana ara-nofo, ary tsy maintsy manampy antsika ny herin'ny fahasoavan'Andriamanitra mpanadio, izay hitaona ny fisainana ho any an-danitra sy hanazatra azy hisaintsaina ireo zavatra madio sy masina.

Tsy avy amin'ny kisendrasendra ny toetra. Tsy ny fitroatry ny hatezerana indray maka, na dingana iray mankamin'ny lalan-diso no mamaritra izany. Ny fiverimberenan'ny fihetsika iray no manjary fahazarana ary mamolavola ny toetra, na ho amin'ny tsara na ho amin'ny ratsy. Tsy ho voavolavola ny toetra tsara raha tsy amin'ny fiezahana feno faharetana sy tsy mety sasatra, ary amin'ny fampitomboana ny talenta amam-pahaizana izay nankinina tamintsika ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra.

Irin'Andriamanitra ny hanorenan-tsika toetra mifanaraka aminliay Môdely napetraka eo anoloantsika. Mila mandahatra ny biriky tsirairay isika, manampy fahasoavana eo ambonin'ny fahasoavana, mitady izay lafiny mampahalemy antsika ka manitsy izany hifanaraka amin'ny toromarika nomena.

Manome hery, fahafahana misaina, ary fotoana antsika Andriamanitra mba hahafahantsika manorina toetra izay azony asiana ny tombokasen'ny fankasitrahany eo amboniny. (...)

Izay maniry hitombo ho tonga trano tsara rafitra ho an'ny Tompo dia tsy maintsy mikolokolo ny fahaiza-manaony rehetra. Amin'ny fampiasana ny talenta araka ny tokony ho izy ihany no hahafahan'ny toetra mivelatra amim-pirindrana tsara. Dia toy izany no anorenantsika eo amin'izany fototra izany ilay lazain'nyTenin'Andriamanitra hoe: volamena, volafotsy, vatosoa, dia akora mahazaka ny fizahan-toetra amin'ny afon'Andriamanitra manadio. — GAG, t. 224. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (54)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal