Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy fotoana velively

Daty
Alatsinainy 19 August 2024

 "Izaho Jehôvah no mpiaro io; isaky ny indray mipi-maso no andemako azy, fandrao misy manimba azy; na andro na alina dia miaro azy Aho." — Isa. 27:2. 

Mofon’aina:
Ny fanahin'ny olona madio sy masina dia tsy afaka miala vetivety amin'izany toeram-pahadiovana sy fahamasinana izany ka hitotongana sy hiharatsy ary hahavita heloka bevava tampoka. Mitaky fotoana ny fiovan-toetran' ny olona na ho amin'ny tsara araka ny endrik'Andriamanitra, na ho amin'ny ratsy araka an'i Satana. Ny fibanjinantsika no manoya antsika. Na nohariana araka ny endriky ny Mpanao azy aza ny olona dia afaka manazatra ny sainy amin'ny fahotana ka hanjary hahafinaritra azy ny ota izay nankahalainy taloha. Vantany vao mitsahatra tsy miambina sy mivavaka izy dia mitsahatra tsy miambina ny mandany, dia ny fony. (...) Tsy maintsy toherina mandrakariva ny fisainana ara-nofo, ary tsy maintsy manampy antsika ny herin'ny fahasoavan'Andriamanitra mpanadio, izay hitaona ny fisainana ho any an-danitra sy hanazatra azy hisaintsaina ireo zavatra madio sy masina.

Tsy avy amin'ny kisendrasendra ny toetra. Tsy ny fitroatry ny hatezerana indray maka, na dingana iray mankamin'ny lalan-diso no mamaritra izany. Ny fiverimberenan'ny fihetsika iray no manjary fahazarana ary mamolavola ny toetra, na ho amin'ny tsara na ho amin'ny ratsy. Tsy ho voavolavola ny toetra tsara raha tsy amin'ny fiezahana feno faharetana sy tsy mety sasatra, ary amin'ny fampitomboana ny talenta amam-pahaizana izay nankinina tamintsika ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra.

Irin'Andriamanitra ny hanorenan-tsika toetra mifanaraka aminliay Môdely napetraka eo anoloantsika. Mila mandahatra ny biriky tsirairay isika, manampy fahasoavana eo ambonin'ny fahasoavana, mitady izay lafiny mampahalemy antsika ka manitsy izany hifanaraka amin'ny toromarika nomena.

Manome hery, fahafahana misaina, ary fotoana antsika Andriamanitra mba hahafahantsika manorina toetra izay azony asiana ny tombokasen'ny fankasitrahany eo amboniny. (...)

Izay maniry hitombo ho tonga trano tsara rafitra ho an'ny Tompo dia tsy maintsy mikolokolo ny fahaiza-manaony rehetra. Amin'ny fampiasana ny talenta araka ny tokony ho izy ihany no hahafahan'ny toetra mivelatra amim-pirindrana tsara. Dia toy izany no anorenantsika eo amin'izany fototra izany ilay lazain'nyTenin'Andriamanitra hoe: volamena, volafotsy, vatosoa, dia akora mahazaka ny fizahan-toetra amin'ny afon'Andriamanitra manadio. — GAG, t. 224. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal