Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fahatanterahan-toetra izao ankehitriny izao

Daty
Talata 20 August 2024

 "Koa amin'izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra." — Mat. 5:48. 

Mofon’aina:
Mety ho vitan'ny lehilahy sy ny vehivavy ny ho tonga tanteraka amin'ny alalan'ny fampiasany ny fahaiza-manaony rehetra ho voninahitr'Andriamanitra; ary Andriamanitra no nahatonga izany ho azo tanterahina tamin'ny nanolorany ny Zanany ho an'izao tontolo izao. Nomeny azy ireo tao amin'i Kristy ny haren'ny fahasoavany sy ny fahalalana ny sitrapony. Ho afaka hanatratra ilay tanjona ambony napetrak'Andriamanitra ho azy izy ireo raha manafoana ny "izaho" sy mianatra mandeha amim-panetren-tena, ary miantehitra amin'Andriamanitra mba hotarihiny. 

Iza i Kristy ho antsika? Miorina amin'izany ny fanatanterahana ny toetra. Raha miankina mandrakariva amin'ny fahamendrehan'ny Mpamon-jintsika isika ka manaraka ny diany, dia ho tahaka Azy, madio tsy misy pentina.

Tsy mitaky zavatra tsy azo tanterahina amin'ny fanahin'ny olona Andriamanitra. Tsy nangataka na inona na inona tamin'ny mpianatra Izy raha tsy efa vonona hanome azy ireo ny fahasoavana sy ny hery hanatanterahana izany. Tsy ho niantso azy ireo ho amin'ny fahatanterahana izy raha tsy efa eo an-tanany ny fahatanterahana rehetra avy amin'ny fahasoavana, homeny ireo izay tiany hanankinana tombontsoa ambony sy masina izany. (...)

Ny anjarantsika dia ny manatratra, ao anatin'ny faritra misy antsika, ny fahatanterahan-toetra izay nananan'i Kristy teo amin'ny fiainany teto an-tany, tamin'ny lafiny rehetra. Izy no Ohatra ho antsika. Mila miezaka isika mba hanome voninahitra an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra, amin'ny toetrantsika. (...) Tsy maintsy miantehitra tanteraka amin'Ilay hery efa nampanantenainy antsika isika. (...)

Ny Mpamonjintsika dia Mpamonjy manao izay hahatanteraka ny olombelona amin'ny fahafenoany. Tsy ampahany amin'ilay olona fotsiny no ifantohany. Miasa ho fandavorariana ny maha-olombelona manontolo ny fahasoavan'i Kristy. Izy no nahary ny rehetra. Izy no nanavotra ny rehetra. Izy no nanao ny saina, ny hery sy ny vatana ary ny fanahy, ho mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra; fananany novidiny ireo rehetra ireo. Amin'ny saina, ny fo, ny fanahy, ary ny hery manontolo no tsy maintsy anompoana Azy. Dia homem-boninahitra ao amin'ny olony masina ny Tompo, na dia amin'ireo raharaha mahazatra sy ara-nofo ataony aza. Hapetraka eo amin'izy ireo ny soratra hoe: "Hamasinina ho an'i Jehôvah". — GAG, t. 230. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal