Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miandry ny fangatahantsika

Daty
Alarobia 21 August 2024

"(...) Mangataha, dia hahazo hianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo." — Jao. 16:24. 

Mofon’aina:
Ny vavaka no fomba mahomby voatendrin'ny lanitra hanoherana ny ota sy hampitom-boana ny toetra kristianina. Ny hery miasa mangina avy any an-danitra avy amin'ny vavaka atao amim-pinoana no hanatanteraka ao amin'ny fanahin'ilay mpangataka izay rehetra nangatahiny. Azontsika angatahina ny famelan-keloka, ny Fanahy Masina, ny toetra tahaka ny an'i Kristy, ny fahendrena sy ny hery hanaovana ny asany, izay fanomezana rehetra efa nampanantenainy. Izao mantsy no teny fikasany: "Hahazo hianareo." 

Mpamonjy antsika i Jesôsy; tsy maintsy mandresy isika ao Aminy sy amin'ny alalany (...). Miandry ny fangatahantsika ny fahasoavan'i Kristy. Hahazo hery sy fahasoavana araka izay ilaintsika isika raha mangataka Aminy (...). Hifehy ny filana tsy masina rehetra ny fivavahan'i Kristy, handrisika ny hery, ny fifehezan-tena sy ny asa, eny, na amin'ny raharaha andavanandro aza, ka mahatonga antsika hahay mitantana, hahay hifandray amin'ny hafa, hahay handà tena, ary ho zakantsika tsy amim-pimonomononana na dia ny tsy fisiana aza. Hiseho eo amin'ny toetra ny Fanahin'i Kristy mitoetra ao am-po, hamolavola fahamendrehana sy hery. "Ampy ho anao ny fahasoavako", hoy i Kristy — 2 Kôr. 12:9. 

Ataovy ny ezaka rehetra hifandraisan'ny fanahinao tsy tapaka amin'i Jesôsy (...). Tokony hivavaka ny mpianakavy, ary ambonin'ny zavatra rehetra, tsy azontsika atao tsirambina ny vavaka mangina, fa izany no ain'ny fanahy. (...). Aoka ny fanahy, ao amin'ny mangina, hanaiky ho eo ambanin'ny fijerin'Andriamanitra mpamotopototra. Ilay Mpihaino vavaka irery ihany no natao handre ny vavaka atao ao amin'ny mangingina. Tsy misy sofina lian-kahafantatra fotsiny tokony handray ny vesatry ny fitalahoana toy izany. (...) Mifandray amin'Andriamanitra amim-pinoana sy fahatsorana ary fitoniana ny fanahy, ka manangona ho azy ireo tara-pahazavan'ny lanitra izay hanatanjaka sy hanohana azy ao anatin'ny adiny amin'i Satana. ( . . . )

Mivavaha ao an'efitranonao, ary raha hamonjy ny raharahanao anda-vanandro ianao, dia aoka ny fonao hisandratra matetika any amin'Andriamanitra. Toy izany no niarahan'i Enôka nandeha tamin'Andriamanitra. Tahaka ny hanitra sarobidy misandratra eo anatrehan'ny seza fiandrianan'ny fahasoavana ireny vavaka mangina ireny. Tsy hain'i Satana resena izay manana fo mitoetra eo amin'Andriamanitra toy izany. — GAG, t. 239. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal