Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny famantarana ny maha-Kristianina

Daty
Zoma 23 August 2024

« Ary ho an’izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika." - Efes. 3:20. 

Mofon’aina:
Miandry fotsiny haneho ny fahasoavany sy ny heriny amin'ny alalan'ny vahoakany ny Tompo. Takiny anefa ny hifantohan'ny fisainan'ireo izay manolo-tena hanompo Azy, Aminy mandrakariva. Tokony hanam-potoana hamakiana ny Tenin'Andriamanitra sy hivavahana isan'andro izy ireo. (...)

Isam-batan'olona no tsy maintsy iarahantsika mandeha sy iresahantsika amin'Andriamanitra, dia hiseho eo amin'ny fiainantsika amin'ny hasarobidiny rehetra ny hery masin'ny filazantsaran' i Kristy.

 Lehibe lavitra no ambaran'ny fiainana mangina sy mahatokin'ny Kristianina madio sy marina, mihoatra noho ny teny maro. Manan-kery lavitra noho ny teny ambarany ny maha-izy ny olona iray. Nanao tatitra ireo mpiandry raharaha nirahina tany amin'i Jesôsy fa tsy mbola nisy olona niteny tahaka Azy. Kanefa ny anton'izany dia satria tsy mbola nisy olona nanana fiainana tahaka ny fiainany. Raha hafa ny fiainany dia tsy ho niteny tahaka izay nataony Izy. Nisy hery mandresy lahatra tao amin'ny teniny satria niloatra avy ao amin'ny fo madio sy marina izany, be fitiavana sy fangorahana, malala-tanana sy marina. (...) 

Ny filazantsara izay torintsika mba hamonjena fanahy dia tsy maintsy ho ny filazantsara izay mamonjy ny fanahintsika. Tsy hisy fiantraikany amin'ny tontolo tsy mino ny hery miasa mangina avy amintsika raha tsy amin'ny alalan'ny finoana velona an'i Kristy amin'ny maha-Mpamonjy ny tenantsika manokana Azy. Raha tiantsika ny hahasintona ny mpanota tsy ho voafaokan'ny riaka mahery, dia tsy maintsy miorina mafy eo amin'Ilay Vatolampy ny tongotsika, dia i Kristy.

Ny karatra amantarana ny maha-Kristianina antsika dia tsy karatra azo tsapain-tanana ety ivelany, tsy ny fiambozonana hazo fijaliana na satroboninahitra izany, fa manambara ny firaisan'ny olombelona amin'Andriamanitra. Ny herin'ny fahasoavan'Andriamanitra izay miseho amin'ny alalan'ny fanovana ny toetra dia natao handresy lahatra fa naniraka ny Zanany ho Mpanavotra izao tontolo izao tokoa Andriamanitra. Amin'izay rehetra manodidina ny fanahin'ny olombelona dia tsy misy manana hery tahaka ny fiainana tsy misy fitiavan-tena. Ny Kristianina be fitiavana sy mahate-ho tia no tohan-kevitra mafonja indrindra manohana ny filazantsara. —GAG, t. 276.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal