Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Amin’ny fahalemem-panahy

Daty
Alahady 25 August 2024

"Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana (.)." — Kôl. 3:12. 

Mofon’aina:
Aoka ho eo amin'ny molotrao ny lalàn'ny hatsaram-panahy ary ho ao am-ponao ny ilon'ny fahasoavana. Hitondra vokatra mahagaga izany. Hanjary malefaka ianao, hihevitra sy hanaja ny hafa. Hilainao avokoa ireo toetra mahate-ho tia rehetra ireo. Tsy maintsy raisina sy entinao eo amin'ny toetrao ny Fanahy Masina ka ho tahaka ny afo masina mampakatra fofo-manitra ho eo amin'Andriamanitra izany, tsy avy amin'ny molotra mpanameloka fa tahaka ny mpanasitrana ny fanahin'ny olona kosa. Ho hita eny amin'ny endrikao ny endrik'Andriamanitra (...). Amin'ny fibanjinanao ny toetr 'i Kristy no hahatonga anao hitovy Aminy. Ny fahasoavan'i Kristy irery ihany no afaka hanova ny fonao ka ho hita taratra eny aminao ny endrik'i Jesôsy Tompo. Miantso antsika Andriamanitra mba ho tahaka Azy, - madio sy masina ary tsy voaloto. Natao hitondra ny endrik'Andriamanitra isika. (...)

Jesôsy Tompo irery no hany mpanampy antsika. Hahay hikolokolo fitiavana isika, hitaiza ny tenantsika hiteny amim-pahamoram-panahy, noho ny fahasoavany. Hiova ny fombantsika feno fangatsiahana sy henjana noho ny fahasoavany. Ho eo imolotsika ny lalàn'ny fahamoram-panahy. Izay eo ambanin'ny fiasan'ny Fanahy Masina sarobidy dia tsy hahatsapa velively fa fahalemena ny fiaraha-mitomany amin'izay mitomany sy ny fiaraha-mifaly amin'izay mifaly. Tsy maintsy mikolokolo ny fahatsaran-toetran'ny lanitra isika. Tsy maintsy ianarantsika ny atao hoe tsara fanahy amin'ny olona rehetra, sy manana faniriana marina ho tahaka ny masoandro fa tsy aloka eo amin'ny fiainan'ny hafa.

Hararaoty ny fotoana rehetra ahafahanao mitondra fahasambarana ho an'ny manodidina anao sy mizara ny fitiavanao. Ho an'ny maro izay miady mafy sy manirery, ny teny mamy, ny fihetsika maneho fangorahana, ny fankasitrahana, dia ho toy ny rano mangatsiaka amin'ny fanahy reraka (...).

Aoka ny fiainanao ho eo ambanin'ny tara-masoandron'ny fitiavan'ny Mpa-monjy, dia ho tonga fitahiana ho an' izao tontolo izao ianao. Avelao hifehy anao ny Fanahin'i Kristy. Aoka ho eo imolotrao mandrakariva ny lalàn'ny fahamoram-panahy. Ny fahari-po sy ny fiheverana ny hafa no mampiavaka ny teny sy ny asan'ireo izay nateraka indray mba hanana fiainam-baovao ao amin'i Kristy. — GAG, t. 299. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal