Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Eo am-piandrasana

Daty
Alakamisy 29 August 2024

 "Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo; ary aoka hianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony (...)." - Lio. 12:35,36. 

Mofon’aina:
/zao no fotoana tokony hiomanana ho amin'ny fiavian'ny Tompontsika. Tsy ho vonona hihaona Aminy ao anatin'ny fotoana fohy isika, tsy maintsy miandry sy miambina isika ary miasa amin-kafanam-po tokoa mba ho vonona ho amin'izany toe-javatra manetriketrika izany. Amin' izany no hanomezan'ireo zanak'Andriamanitra voninahitra Azy; hanonona teny fampaherezana sy fanantenana ary finoana izy ao anivon'ny rotoroton'ny fiainana. Atokany ho amin'ny fanompoana an'Andriamanitra ny fananany sy ny maha-izy azy rehetra.

Ambaran'i Kristy amintsika ny fotoana hahatongavan'ny fanjakany. Tsy milaza Izy fa hiova fo izao tontolo izao, fa hoe: "hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany." — Mat. 24:14. Ananantsika ny fahefana manafaingana ny fiavian'ny andron'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fitoriana ny filazantsara amin'izao tontolo izao. Raha nanao ny asa notendren'ny Tompo hataony ny fiangonan'i Kristy dia ho vita talohan'izao ny fampitandremana izao tontolo izao, ary ho efa tonga tamin-kery sy voninahitra teto an-tany ny Tompo Jesôsy. 

Hery velona no tsy maintsy itoriana ny hafatry ny fiavian'i Kristy fanindroany. Tsy tokony hitsahatra isika raha tsy mahita fanahy marobe voaova fo ho amin'ilay fanantenana mahafinaritra momba ny fiverenan'ny Tompo. Niasa tokoa ny hafatra notorina tamin'ny andron'ireo apôstôly ka nampiala fanahy maro tamin'ny sampy ary nahatonga azy ireo hanompo an'Andriamanitra velona. Tena misy asa tokony hatao ihany koa amin'izao andro izao; amim-pahamatorana kokoa aza no tokony hitoriantsika ny hafatra satria mihantomotra kokoa ny andron'i Jehôvah. (...) Izao no asantsika: miandry, miambina, miasa, mivavaka ary mampitandrina an'izao tontolo izao. 

Nanaitra ahy tokoa ny toe-javatra naseho ahy nandritra ny alina. Toy ny fihetsehana lehibe no hitako - fifohazana hita tany amin'ny toerana maro. Nirotsaka an-daharana ny olona hanoina ny antson'Andriamanitra. (...) Moa ve isika tsy hanoina ny antsony? Moa ve isika tsy hamboatra ny fanalantsika ka hanao tahaka ny olona miandry ny fiavian'ny Tompony? —GAG, t. 353. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal