Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ilay hany fiarovana

Daty
Alakamisy 05 September 2024

"Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho Amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fana mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo." - Eks. 31:13. 

Mofon’aina:
Aoka ny olona rehetra hitady an'i Jehôvah. Eo anoloantsika ny mandrakizay ka tsy azonao atao ny hamela ny andro iray ho lasa kanefa tsy niandany tamin'ny Tompo. Moa ve ianao tsy hanao ny anjara asa izay notendren' Andriamanitra hataonao ao anatin'ireo toe-javatra mamarana ny tantaran'ny tany?

Tsy takatry ny saina ny fanandramana hiainan'ireo vahoakan'Andriamanitra izay velona eto an-tany rehefa hiharo ny fahoriana tamin'ny lasa sy ny voninahitry ny lanitra. Handeha eo amin'ny fahazavana avy eo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy ireo. Amin'ny alalan'ireo anjely no hisian'ny fifandraisana tsy tapaka eo amin'ny lanitra sy ny tany. Ary i Satana, hodidinin'ireo anjely ratsy, no sady mitonona ho Andriamanitra, dia hanao fahagagana samihafa, mba hamitahana na dia izay voafidy aza raha azo atao. (...)Ao amin'ny famantarana voalazan' ny Eks. 31:12-18 no hahitan' ireo vahoakan 'Andriamanitra voazaha toetra ny heriny. Ny Teny velona - "Voasoratra hoe" - no tokony hiandanian'izy ireo. Io no hany fanorenana hahazoany mijoro tsy amin-tahotra. Ireo izay nanapaka ny fanekena nifanaovany tamin'Andriamanitra dia tsy hanana fanantenana amin' i zany andro izany (...).

Hiavaka indrindra amin'ny fanajany ny didy fahefatra ireo izay miankohoka amin'Andriamanitra, satria io no famantarana ny heriny mamorona sy vavolombelon'ny fitakiany ny fiankohofana Aminy sy ny fanajan'ny olona Azy. Ireo ratsy fanahy kosa dia hiavaka amin'ny fiezahany handrodana ny tsangambaton'ny Mpamorona ka hanandratra izay naorin'i Rôma. Ao anatin'ny fifanandrinana, dia hizara ho sokajy roa lehibe ny tontolo kristianina - ireo izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny finoana an' i Jesôsy ary ireo izay miankohoka amin'ny bibidia sy ny sariny no sady mandray ny marika famantarana azy. (...)

 Fitsapana sy fizahan-toetra maha-tahotra no miandry ireo vahoakan' Andriamanitra. Manetsika ny firenena avy any amin'ny sisin'ny tany ka hatrany amin'ny tendrony ilany ny toe-tsaina liana ady. Ao anatin'ny fotoan-tsarotra izay ho avy anefa (...) dia hitoetra tsy hihozongozona ny vahoaka voafidin'Andriamanitra. Tsy ho vitan'i Satana sy ireo anjeliny ny hanimba azy ireo; satria anjely mahery marobe no hiaro azy. - TDG, t. 69. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (48)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal