Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)
  • French
  • Malagasy
  • English

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Tonga Soa, Bienvenue, Welcome

Hopefy Radio MG

Ahoana ny hevitrao mikasika ny site-ntsika mba ho fanatsarana azy ?

Annonce

Tsy hay refesina ny fitiavan'i Kristy

Fiambenana maraina - Alakamisy 17 October 2024

 "Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin 'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika." - Rôm. 8:38,39. 

Mofon’aina:
Azon'i Kristy natao ny nanalavitra antsika noho ny helotsika, saingy tsy izany fa tonga nonina teto amintsika aza Izy, Izay manana ao Aminy ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra, mba ho iray amintsika, mba ho tonga amin'ny fahatanterahana isika noho ny fahasoavany. Tamin'ny fahafatesana mahamenatra sy fijaliana no nanavotany ny olombelona. Fitiavana sy fahafoizan-tena re izany! (...) Tsy misy maharefy ny halalin' izany fitiavana izany. (...) Tian'Andriamanitra haneho ny toetrany sy hanao ny asany ny zanany, mba ho voataona hiray saina amin'Andriamanitra koa ny hafa.

Tonga ota ho famonjena ny taranaka lavo i Kristy Mpamonjintsika, Ilay tonga lafatra tanteraka. Tsy nahalala ota Izy satria tsy nanota, kanefa dia nizaka ny vesatra mahatsiravin'ny helok'izao tontolo izao. Natao sorona ho antsika Izy mba ho tonga zanak'Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. (...) Nanao izay hitaomana ny olona rehetra hanatona Azy i Kristy tamin'ny alalan'ny hazo fijaliana. Ny fahafatesany no hany fanantenana hahazoana mamonjy ireo izay latsaka anatin'ny fangidiana noho ny fahotana. Natao handray hery vaovao ara-tsaina sy ara-panahy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ny olona, izay raha miara-miasa amin'Andriamanitra dia ho tonga iray amin'Andriamanitra.

Mba handravana ny sakana napetrak'i Satana eo anelanelan' Andriamanitra sy ny olona dia nanao sorona ampy sy tanteraka i Kristy, naneho fandavan-tena tsy misy toy izany. Nampiseho fahagagana tamin' izao tontolo izao Izy, dia Andriamanitra tonga olombelona sy nanao sorona ny tenany ho famonjena ny olona lavo. Fitiavana mahatalanjona re izany! Mitomany aho eo am-pieritreretana fa maro tokoa ireo izay milaza ho mino ny fahamarinana no milona ao anatin'ny fitiavan-tena (...). 

Gaga aho mahita ireo izay mitonona ho Kristianina kanefa tsy manararaotra ny fanomezan'ny lanitra, sy tsy mahita mazava fa ny hazo fijaliana no mitondra famelan-keloka sy mampifandray mivantana ny fo (...) amin'ny Fanahy Masina. UL, t.191. 

Mazava sy mamiratra

Fiambenana maraina - Alarobia 30 October 2024

 "Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehôvah , Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zanani-lahy izay manompo azy." - Mal. 3:17. 

Mofon’aina:
Vatosoa sarobidin'i Kristy ny Kristianina, novidiny tamin'ny vidiny tsy manam-petra. Natao hamirapiratra ho Azy izy ireo, hampiely ny fahazavan'ny fahatsarany. Ary tsy azony hadinoina fa ny famirapiratana rehetra eo amin'ny toetra kristianina dia noraisiny avy amin'Ilay Masoandron'ny fahamarinana.

Miankina amin'ny fanefena azy ny famirapiratan'ny vatosoan' i Kristy. Tsy manery antsika hotefena Andriamanitra. Anjarantsika ny mifidy na hotefena isika na tsia. Kanefa tsy maintsy manaiky hotefena izay rehetra omena toerana ao amin'ny tempoly. Tsy maintsy ekeny ny hanesorana izay rehetra maranidranitra eo amin'ny toetrany mba ho kanto sy tsara izy, ho afaka haneho ny fahatanterahan-toetran'i Kristy. (...)

Tsy mandany andro amin'ny akora tsy misy vidiny Ilay Andriamanitra Mpanefy. Ny vato sarobidy ihany no tefeny hifanaraka amin'ny lapa. (...) Tsy mora izany tefena izany, mandona ny hambom-pon'ny olombelona. Kapain'i Kristy hiala ny fanandramana izay noheverin'ny olona fa tsara tao anatin'ny avonavony. Esoriny izay rehetra mety ho fanandratan-tena. Kantsanany izay mihoatra rehetra, ary ampandaloviny milina fandamana ilay "vato" ka tomoriny akaiky mba ho afaka avokoa ny marokoroko rehetra. Avy eo dia tarafin'ny Tompo amin'ny hazavana ilay vatosoa ka hitany ao ny endriny. Amin'izay vao hambara ho mendrika hanana toerana ao amin'ny tempoly izany vatosoa izany.

Tsara re izany fanandramana izany! Na sarotra aza izany dia manome tombam-bidy vaovao ho an'ilay vato, ka mahatonga azy hazava sy hamiratra! (...)

Manana mpiasa izay nantsoiny avy tao amin'ny fahantrana sy ny fahamaizinana ny Tompo. Milofo amin'ny raharahany andavanandro izy ireo, tsy dia miakanjo tsara, ary tsy misy vidiny eo imason'ny olombelona. I Kristy kosa mahita zava-tsoa tsy hita fetra ao amin'izy ireo; raha eo an-tanany mantsy ireo dia ho tonga vatosoa sarobidy izay hamirapiratra aoka izany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. "Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko" hoy Izy. (...)

Hain'Andriamanitra ny fomba itondrana ny fanahy tsirairay. Tsy mitsara tahaka ny fomba fitsaran'olombelona Izy. — UL, t. 372. 

Mampahatsiahy andro iray ara-bakiteny ny Sabata.

Fiambenana maraina - Alakamisy 22 May 2025

 "Mahagaga ny fikotrokotrok'Andriamanitra amin'ny feony; manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy." - Jôba 37:5.

Mofon’aina:
Rehefa nanonona ny lalàny tamin'ny feo mafy teo Sinay Andriamanitra, dia toy izao ny teny nampidirany ny momba ny Sabata: "Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy." Rehefa izay dia nambarany mazava izay tokony hatao amin'ny henemana sy izay tsy tokony hatao amin'ny andro fahafito. Nomeny avy eo ny antony tokony hitandremana ny herinandro araka izany, ka nampahatsiahiviny ny ohatra nasehony tamin'ny herinandro voalohany indrindra. "Fa henemana no nanaovan'i Jehôvah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbarnin 'izay rehetra  ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehôvah ny andro Sabata sy nanamasinany azy." - Eks. 20:11. Manjary maha-te ho tia sy manan-danja ireo antony ireo rehefa takatsika fa andro ara-bakiteny no resahiny ao amin'ny tantaran'ny Famoronana. Natokan' Andriamanitra ho andro fitsaharana ny andro fahafito ho fahatsiarovana ny nitsaharany tamin'ny fotoana tahaka izany koa rehefa vitany ny asa famoronana nandritra ny enina andro.

Mamely mivantana ny fanorenan'ny Sabatan'ny didy fahefatra ny petra-kevitry ny tsy mpino izay milaza fa fotoana fito naharitra sy tsy voafaritra no nilaina mba hahatanteraka ireo toe-javatra niseho tao anatin'ny herinandro voalohan'ny famoronana. Mahatonga ny zavatra nasehon'Andriamanitra mazava ho manjavozavo izany. Izany no tsy fahatokiana ratsy indrindra, satria hita eo amin'ireo marobe izay milaza ho mino ny tantaran'ny Famoronana. Miampanga an'Andriamanitra ho mibaiko antsika hitandrina andro fito ara-bakiteny ho fahatsiarovana fotoana izay tsy voafaritra fito izany, kanefa tsy tahaka izany ny fifandraisan'Andriamanitra amintsika, ary fitenenan-dratsy ny Fahendreny izany. (...)

Nomena mba ho fanilon'ny tongotsika sy fanazavana ny lalantsika ny Tenin'Andriamanitra. Ho tafintohina ao amin'ny maizina ireo izay manary ny Tenin'Andriamanitra ka mikatsaka ny hamantatra ireo zava-miafin' i Jehôvah amin'ny alalan'ny filôzôfiany feno fahajambana. Efa nomena ny olona mety maty ny tari-dalana mba hahafantaran'izy ireo ny asa nataon'Andriamanitra araka izay mahasoa azy. Nohazavain'ny tsin-drimandrin'Andriamanitra tamin'ny nanomezany antsika ny tantaran'ny Safodrano ireo zava-miafina mahatalanjona izay tsy ho hain'ny haibolantany hazavaina samirery. - ST, 20 Marsa 1879. 

Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Hampianatra ny olon-diso ny làlanao.

Lesona sekoly sabata - Alakamisy 22 May 2025

Taorian'ny nisehoan'i Jehôvah tamin'i Isaia tao amin'ny fahitana momba ny seza fiandrianana ao amin'ny Isa. 6:1-8, sy taorian'ny nilazana tamin'i Isaia hoe: "afaka ny helokao" ary "voavela ny fahotanao", dia izao no nambarany ho setrin'ny antson'Andriamanitra: "Inty aho, iraho aho." - Isa. 6:8. Izany hoe, vantany vao fantany fa vita fihavanana tamin'Andriamanitra izy, dia vonona ny hiasa ho Azy izy na dia fantany aza ireo fahadisoany marobe.

Moa ve tsy toy izany koa isika? Ahoana no hitoriantsika ny famonjena amin'ny hafa raha tsy efa manana izany isika? Ary azontsika atao ny mandray izany, amin'ny alalan'ny finoana an'i Jesôsy sy izay efa nataony ho antsika.

Vakio ny Sal. 51:7-15. Inona no ampanantenain'i Davida fa hataony rehefa voadio sy voavela heloka izy?

Ny hoe antsoina ho eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra dia midika hoe irahina. Tao amin'ny fahendreny no nanirahan'Andriamanitra ireo voavotra mba hanompo amin'ny maha-Feony azy ireo, hiteny amin'ity tontolo lavo ity. Hisy ny fotoana izay hahatsapana amin'ny fomba miezinezina ny fiantraikan'ny asa ataon'ny vahoakany eto an-tany. Milaza amintsika ny Apôk. 18:1 fa hampahazava an'izao tontolo izao manontolo ny antso farany alefa amin'ilay planeta lavo.

"Raha vantany vao mahafantatra an'i Kristy ny olona dia miredareda ao am-pony ny faniriana ta hampahafantatra ny hafa, fa efa nahita Sakaiza malala izy, dia i Jesôsy; tsy azony hidina ao am-po ny fahamarinana mahatonga famonjena sy fahamasinana. Tsy azontsika atao ny hangina, raha voatafin'ny fahamarinan'i Kristy isika ary feno fifaliana noho ny Fanahiny ao am-pontsika. Tsy maintsy hanan-javatra holazaina isika, rehefa nanandrana, ka nahita fa tsara ny Tompo. Tahaka ny nataon'i Filipo, fony izy nahita ny Mpamonjy, no tsy maintsy hataontsika koa amin'ny olon-kafa hanatonany an'i Kristy." -DHK, t. 143, ed. 2018.

Miorina amin'ny "filazantsara mandrakizay ny hafatry ny anjely telo ao amin'ny Apôk. 14 (and. 6). Izany hoe, talohan'ny nitoriana ny hafatra momba ny fiankohofana amin'llay "nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano" - Apôk. 14:7, na koa ny fanambarana momba ny faharavan'i Babilona (Apôk. 14:8), na ny momba ny fiankohofana amin'ny "bibidia sy ny sariny" (Apôk. 14:9), no efa nitoriana ny fanorenan'ny filazantsara sy ny famonjena ao amin'i Jesôsy . Izao no anton'izany: ny fampitandremana sy ny hafatry ny anjely telo dia tsy inona akory fa ny fanantenana sy ny teny fikasana ananan'ireo izay mitory ireo hafatra ireo ao amin'i Jesôsy sy ao amin'izay efa nataony ho azy ireo. Tsy manan-javatra manan-danja holazaina amin'izao tontolo izao ankoatra ny "filazantsara mandrakizay" isika.

Saintsaino bebe kokoa izao: na dia talohan'ny nanombohana ny fitoriana ny hafatry ny anjely telo aza dia efa nambara tamintsika ny "filazantsara mandrakizay." Ahoana no hanambaran'izany amintsika ny maha-zava-manan-danja io fahamarinana io manoloana ny zavatra rehetra inoantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Fampidirana
Sun 18 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Ilay Mpisoronabentsika
Mon 19 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Eo an-tendrombohitra Ziona.
Tue 20 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Ny làlana ao am-pontsika.
Wed 21 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Salamo 5.
Thu 22 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Hampianatra ny olon-diso ny làlanao.
Fri 23 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny
Sat 17 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal