Hodinihina mandritra ny herinandro: Rota 1:1-5; Rota 2:5-20; Joba 1:6-11; Mat. 4:8,9; Est. 3:1-14; Apôk. 12:14-17.
Tsianjery:
"Ary nony hitan'ny mpanjaka fa, indro Estera, vadin'ny mpanjaka, nitsangana teo an-kianja, dia nahita fitia teo imasony izy; ary ny mpanjaka nanondro an'i Estera tamin'ny tehim-bolamena izay teny an-tanany. Dia nanatona kosa Estera ka nanendry ny loha-tehina." - Est. 5:2
Hanohy ny fandinihana ireo tantara izay maneho mialoha ny toe-javatra hitranga amin'ny andro farany isika amin'ity herinandro ity. Mampiasa tantara sy olona tena nisy Andriamanitra mba hanampiana antsika hahita ny toe-javatra araka ny fomba fijeriny ary koa mba hahatakarantsika ny fomba fanazavana ny faminaniana izay omena aty aoriana kely ho fanamafisana ny finoantsika.
Vehivavy manana ny maha-izy azy anankiroa no ifantohantsika, izay manana tantara nikasika ny fon'ny taranaka maro nifandimby: i Rota sy i Estera. Ny iray dia mpitondratena namoy izay rehetra nananany nefa nahita fanantenana taorian'ny nifankahitany tamin'i Boaza, lehilahy tsara fanahy, izay havana mahavotra azy. Tonga tantaram-pitiavana tian'ny Kristianina indrindra ny ndra ny fanambadian'izy ireo noho ny fanehoan'izany ny fitiavan'i Kristy antsika. Ny anankiray indray dia tovovavy iray nonina tany amin'ny firenen-kafa, izay nahalala ny teti-dratsy hoenti-mandringana ny vahoakany ka nanjary tafiditra teo amin'ny sehatry ny tantara, mba hamonjena azy ireo.
Mazava loatra fa sary an'ohatra mahery vaika anehoana ny fiangonan' Andriamanitra ny vehivavy ao amin'ny faminaniana, izay manazava amintsika ny fomba fiheveran'Andriamanitra ny olony. Andeha hojerentsika ny tantaram-piainan'ireo vehivavy roa ireo ao amin'ny Baiboly, izay noraketina mandrakizay ao amin'ny Tenin'Andriamanitra ka amin'izany no hisintonantsika lesona avy amin'ny fanandramana niainany.
*Famerenana ny lesona ny sabata 14 Juin.