EFA NANAO RATSY NY OLONAO"
Vakio ny Eks. 32:7,8. Nahoana no nasain' Andriamanitra niverina ho any an-fobin'ny Isiraely i Mosesy?
Rehefa nitodika tany amin'ny sampy ny Isiraelita, dia tafasaraka tamin'llay tena Andriamanitra, Ilay nanafaka azy ireo tamin'ny fanandevozana tany Egypta. Nanome tsiny mivantana azy ireo ny Tompo nanao hoe: "nanao ratsy ny olonao" - Eks. 32:7 ka tonga hatramin'ny fanomezam-boninahitra sarivongana, toy ny hoe io no namonjy azy tamin'ny fanandevozana tany Egypta. Mifanohitra tanteraka amin'izay nolazain Andriamanitra tamin'izy ireo izany (Eks. 20:2)! Zava-dratsy tokoa io fandavana ny fanatrehan Andriamanitra sy ny asa mahery nataony io. Nanjary diso sy simba tanteraka ny fisainany sy ny fihetseham-pony.
Ho an'i Ezekiela mpaminany, ny fanompoan-tsampy no fototry ny fahoriana rehetra nanjo ny vahoakan'Andriamanitra, ary avy amin'izany no nipoiran'ny fahotana hafa rehetra (jereo, ohatra, ny Ezek. 8:1-18, Ezek. 20:1-44, Ezek. 22:1-12). Matetika isika no manontany tena hoe: nahoana ny mpino fahiny no mora ambakaina sy sarotra anarina toy izany ka nivavaka tamin'ny sampy maro nataon'olombelona? Matoky tanteraka isika fa tsy hanao zavatra toy izany mihitsy. Tena afaka amin'ny sampy marina ve anefa isika? Mety ho hafa ny bika aman'endriky ny sampy ankehitriny, nefa lalana mitovy ihany no itaomany ny olona.
Izay rehetra maka ny toeran'Andriamanitra no sampy, ary na fantatsika aza fa tsy mety izany, dia mbola tompointsika ihany, ary ataontsika matetika. Anjakany ny eritreritsika, baboiny ny fitiavantsika, alainy ny fotoantsika, ary ny saintsika afantony aminy mihoatra noho ny amin'Andriamanitra. Mety hanandevo ny fisainantsika mihitsy aza izany. Raha ny marina dia manahaka izay banjinintsika isika, ary tsy hisondrotra mihoatra noho izay "andriamanitra" tompointsika.
Raha tsy ataonao ivon'ny fiainanao Andriamanitra, dia hisy andriamanitra hafa haka ny toerany. Raha tsy misitraka sy mizatra amin'ny fanatrehan'Andriamanitra velona isika, dia hankamamy sy hanokana ny fiainantsika ho an'ny zavatra na olona hafa. Mety hiseho amin'ny endriny samihafa ireo zavatra anoloantsika an'i Kristy; ohatra: avonavona, fitiavan-tena, vola, fahefana, firaisana ara-nofo, sakafo, fahitalavitra, zava-mahadomelina, alkaola, fisainana maloto, sary vetaveta, fahafinaretana, asa, fanatanjahantena, fianakaviana, lalao video, sarimihetsika, fiantsenana, firehan-kevitra, politika, mozika, toerana, anaram-boninahitra, mari-pahaizana, sy ny sisa. Tsy mety tapitra io lisitra io.
Mahay mamorona tokoa isika amin'lzany lafiny izany. Azontsika hovana ho sampy avokoa izay rehetra tsara, kanto, ary manan-danja. Mampidi-doza tokoa ny fanompoan-tsampy satria manova ny toetrantsika, ny fomba fisainantsika, ny fitiavantsika, ary ny fiainantsika ara-piarahamonina. Manova ny maha-isika antsika izany, ary raha tokony hifandray amin'ny hafa amin'ny fo madio isika, dia manjary poakaty sy tsy misy dikany akory ny fifandraisantsika, ary tsy mahavonjy antsika amin'ny farany.