NY FANOMPOAN-TSAMPY SY NY FAHARATSIANA
Vakio ny Eks. 32:6. Nitarika azy ireo ho amin'inona sahady ilay fanompoan-tsampiny? (Jereo koa ny Sal. 115:4-8; Sal. 135:15-18: Isa. 44:9.10.)
Mitovy endrika amin'ilay andriamanitra omby egyptianina antsoina hoe Apis, na ilay andriamanitra ombivavy antsoina hoe Hathor, ilay ombilahy kely volamena. Fanitsakitsahana miharihary ny didy voalohany sy faharoa izany (Eks. 20:3-6). Tsy azo avela amin'izao tsy misy famaizana io fandikan-dalana io satria nanapaka mivantana ny fifandraisan'izy ireo tamin'llay Andriamanitra velona izany. Raha tokony ho nivavaka tamin'ny Mpahary azy ny Isiraelita, dia nivavaka tamin'ny zavatra noforonin'ny tanany izy ireo, izay tsy mahita, na mandre, na mahatsapa, na miteny, na mikarakara, na mitia, na mitarika.
Nivadika ny rasa: Raha tokony ho takatr'izy ireo fa voary noforonina araka ny endrik'Andriamanitra izy ireo, dia tsy izany fa namorona andriamanitra izy ireo, izay tsy araka ny endrik'izy ireo akory fa ratsy kokoa noho izany - araka ny endriky ny biby, lo ve no andriamanitra tian'izy ireo hotompoina? Araka izany dia fahotana lehibe teo anatrehan'i Jehôvah no nataon'izy ireo (Isa. 31:7; Isa. 42:17).
Maneho izay voalaza ao amin'ny Rôm. 1:22-27 ilay fihemoran'ny zanak'Isiraely tamin'ny nanamboarany ombilahy kely volamena: amin' ny fomba ahoana?
Ny fanompoan-tsampy dia mandà ilay hevitra teolojika hoe: Andriamanitra dia Andriamanitra ary ny olombelona dia olombelona. Fafan'ny fanompoan-tsampy ny elanelana misy eo amin'Andriamanitra sy ny olona (Mpitt. 5:1) ary tapahiny ny fifandraisana amin'Andriamanitra. Na mibaribary na miafina ao am-po ny fanompoan-tsampy, dia tapahiny faingana ny fifandraisantsika amin'ny Tompo, ary taominy ho amin'ny fitotonganana ara-pitondrantena isika. Tsy mahagaga raha miresaka momba izay nataon'ny Isiraely ny ampitson'iny ny lahatsoratra: rehefa avy nanolotra fanatitra ho an'ny sampy izy ireo, dia nanomboka nanao lanonana, izay lazain'i Ellen G. White hoe: "fetim-pivavahana jentilisa izay hala-tahaka nalaina avy tamin'ny fanompoan-tsampy tany Egypta." - PM, ed. 2014, 1. 307 (np).
Havanana amin'ny fanamboarana ny sampiny ny olombelona. Mamorona andriamanitra ho an'ny tenany izy ireo, ary ratsy noho izany aza, lasa manompo ireo andriamanitra ireo izy. Soloana zavatra ny Mpamorona, ary na ho ela na ho haingana dia hahatonga fahasimbana ara-pitondrantena izany.
Amin'ny fomba ahoana koa no iankohofan'ny olona amin'ny voary ankehitriny fa tsy amin'ny Mpahary?