Hitantsika fa nampirisika ireo mambra tany Korinto i Paoly mba handray anjara amin'ny famoriam-bola ho an'ireo fiangonana sahirana tany Jodia. Anisan'ny tanjony ny hanetsika toe-tsaina mitady firaisan-kina. Tiany handray anjara izy ireo amin'ny fanatanterahana iraka. Tiany haseho fa anisan'ny ankohonan'Andriamanitra ny fiangonana jentilisa, tahaka ireo mpino Jiosy tany Jerosalema ihany. Izany hoe, ireto olona izay fahavalony fahiny ireto dia mpiara-miasa aminy ankehitriny, isan'ny vahoaka sisan'ny Fanekena Vaovaon'Andriamanitra. Tian'i Paoly ho hita ny fianakaviamben'ny. kristianina manontolo, na Jiosy na Jentilisa, miray saina sy miray hina amin-kery, ary afaka mijoro ho vavolombelon'ny fiangonana amin'ny taranaka ho avy.
I Titosy miaraka amin'ny rahalahy roa hafa azo nitokiana no niandraikitra ny vola. Andriamanitra no nametraka izany fiahiana ny fiangonana izany tao am-pon'i Titosy (2 Kor. 8:16). Tamin'ny alalan'ny fiangonana no nifidianan'Andriamanitra ireo rahalahy roa hafa (2 Kor. 8:18-23). Nantsoina hoe «iraky ny fiangonana izy sady voninahitri Kristy» - 2 Kor. 8:23. Na ireo rahalahy mahatoky roa ireo, na ny fiangonana no faritana hoe «voninahitr'i Kristy», dia mety avokoa izany. Ny fanaovana fanatitra no tena famantarana ny fahatokiana amin'i Kristy, Izay Lohan'ny fiangonana (Efes. 4:15).
Ny 2 Kor. 8-9 dia manondro fa tokony homena ny olona voatendrin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fiangonana, ny fanatitra. Ny andian-teny hoe «ny fiangonana rehetra» (2 Kor. 8:18), «notendren'ny fiangonana» (2 Kor. 8:19), ary «iraky ny fiangonana» (2 Kor. 8:23) dia manondro izany indrindra. Noho izany, tsy mahagaga ny fanaovana antso toy izao: «asehoy aminy eo imason'ny fiangonana ny famantarana mahamarina ny fitiavanareo sy ny reharehanay ny aminareo.» - 2 Kor. 8:24.
Nyfanolorana fanatitra ho an'ny fiangonana-izay fitaovana voatendrin'Andriamanitra dia sady mampiroborobo ny firaisana no vokatry ny hanao ny asany ety an-tany fahatsapana ny fisian'ny firaisana ao am-piangonana (2 Kor. 8:13,14). Mety ho fitaovana mahomby amin'izany ny vola. Etsy ankilany anefa, raha tsy mifantoka amin'ny fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra irery ihany ny olona, dia mety hahatonga fisaraham-bazana koa ny vola.
Ahoana no anehoan'ny Rôm. 15:26, 27 ny fanirian'i Paoly hisian'ny firaisana eto?
Farany, asehon'i Paoly ho asa fanompoana ny famoriam-bola, asa fanasoavana, fitahiana, fiankohofana, ary koa firahalahiana. Ny fanatitra no mahatonga izany rehetra izany! Saino ny amin'izany.
Ahoana no mahatonga fanomezantsika ho an'ireo fiangonana sy ho an'ny iraka tanterahina any ivelany, Izay matetika any amin'ny toerana lavitra tokoa, hanampy amin'ny fanamafisana ny firaisana eo anivon'ny fiangonantsika maneran-tany?