VARAVARAM-PANANΤΕΝΑΝΑ
Vakio ny Jos. 8:1-29. Inona no ambaran'ity tantara ity amintsika momba ny fahafahan Andriamanitra manova ny tsy fahombiazantsika lehibe indrindra hanjary fotoana fanararaotra?
Ny paikadin'i Jehôvah dia manova ny faharesen'ny Isiraely tamin'ny voalohany ho fomba fiady ahazoan-tombony, ka ny Lohasaha Akora (teny hebreo midika hoe "Fampidiran-doza") nanjary "varavaram-panantenana" (ampitahao amin'ny Hos. 2:17). Rehefa tonga natoky tena loatra ny mponina tao Ay noho ny nandreseny voalohany ny Isiraelita, dia naverin'izy ireo ny paikadiny tamin'ny fanafihana ny Isiraelita izay nody nandositra sy resy. Vantany vao voatarika hiala ny toeram-pamaharany ireo mponin'i Ay, dia ireo Isiraelita 30.000 lahy, izay napetraka tsy lavitra ny tanána (Jos. 8:3,4), no naka ny tanána foana tamin'ny fandoroana azy. Milaza mazava ny Jos. 8:7 fa tsy ny paikady no mitondra fandresena, fa Jehovah mihitsy no hanome ny fandresena sy hanolotra ny tananan'i Ay ho an'ny Isiraelita. Na misongadina kokoa noho ny any amin'ny toko hafa rehetra amin'ny boky aza ny lafiny ara-tafika ato amin'ity toko ity, dia avohitra ao amin'ny lahatsorany izao fahamarinana fototra izao: fanomezana avy amin'i Jehovah ny fandresena.
Ny fotoana manan-danja indrindra tao anatin'ilay ady dia ny nialan'ireo lehilahy tao Ay tao an-tanánany, ka nanombohany nanenjika ny Isiraelita. Teo no fotoana faharoa nitenenan'Andriamanitra ao amin'ny toko manontolo, taorian'ny nanomezany ny paikady ao amin'ny Jos. 8:2, izay manambara fa Izy no mitondra ny ady. Hatreto dia tsy fantatsika izay ho vokatry ny ady. Mazava kosa ny tohiny fa nandresy ny tafika Isiraelita.
Ny fitaovam-piadiana teny an-tanan'i Josoa dia sabatra miendrika antsy fijinjana, na lefom-pohy, fa tsy sabatra mahitsy na lefona. Tsy nampiasaina ho fitaovam-piadiana loatra izany tamin'ny andron'i Josoa, kanefa nanjary tandindon'ny fiandrianana. Ary tsy anehoana famantarana ny fanafihana fotsiny izany, fa maneho koa ny fiandrianan'Andriamanitra tao anatin'ny fandresena an'i Ay. Natondron'i Josoa ilay lefona miendrika antsy fijinjana mandra-pahazoana ny fandresena feno; hita amin'izany fa noraisiny tanteraka ny andraikitry ny maha-mpitarika izay nosahanin'i Mosesy tamin'ny niampitana ny Ranomasina Mena (Eks. 14:16) sy tamin'ny ady tamin'ny Amalekita (Eks. 17:11-13), izay nitarihan'i Josoa mivantana ny ady.
Tsy nisy fidiran'Andriamanitra an-tsehatra tamin'ny fomba mahagaga sy hita maso tamin'ity indray mandeha ity, kanefa ny fanampian'Andriamanitra tamin'ny fandresena an'i Ay dia tsy latsa-danja noho ny tamin'ny fandresen'ilay taranaka voalohany ny Egyptianina, na tamin'ny fandresena an'i Jeriko vao tsy ela. Tao amin'ny finoan'i Josoa ny tenin'ny Tompo sy ny fankatoavany tsy azo hozongozonina no nisy ny tsiambaratelon'ny fahombiazana. Manan-kery hatrany ho an'ny vahoakan'Andriamanitra ankehitriny, na aiza na aiza misy azy ireo ary na inona na inona zava-tsarotra atrehiny, ny foto-kevitra hita ato amin'ity tantara ity.