Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.

Daty
Talata 04 August 2026

"Tsy anankiray amin'ireo fanomezam-pahasoavana marobe ny fitiavana fa fitaovana hahafahan'ireo fanomezam-pahasoavana rehetra manatratra ny tanjony fara tampony.". Carl P. Cosaert, "1 Corinthians," Andrews Bible Commentary: New Testament (Berrien Springs, MI: Andrews University Press, 2022), t. 1643.

Vakio ny 1 Kor. 13:1-7 sy ny 1 Pet. 4:8-11. Inona ny anjara asan'ny fitiavana raha toa ka fanomezam-pahasoavana no resahina?

Ampianarin'ny 1 Kor. 13 antsika fa amin'ny alalan'ny fitiavana ihany no ahafahana mampiasa ny fanomezam-pahasoavana araka ny tokony ho izy. Ny fanombohan'i Paoly ny 1 Kor. 13 amin'ny firesahana momba ireo fanomezam-pahasoavana tanisain'ny 1 Kor. 12 dia nataony mba hanipihana fa tsy misy lanjany ireo fanomezam-pahasoavana ireo raha tsy vokatry ny fitiavana. Araka izany, ny fahalalana (1 Kor. 12:8) sy ny finoana (1 Kor. 12:9), eny fa ny finoana izay "mahafindra tendrombohitra" aza (1 Kor. 13:2), dia tsinontsinona raha tsy eo ny fitiavana (1 Kor. 13:2). Raha tsy misy fitiavana, dia tonga "varahina maneno sy kipantsona mikarantsana" fotsiny ny fitenenana amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra (1 Kor. 13:1; 1 Kor. 12:10, 28, 30). Toy izany koa, na dia ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana aza, izay manan-danja tokoa, dia tsinontsinona raha tsy eo ny fitiavana (1 Kor. 13:2).

Mifantoka amin'izay atao hoe fitiavana sy izay tsy atao hoe fitiavana i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 13:4-7; ifantohany manokana kokoa izay asa ataon'ny fitiavana sy izay tsy ataony. Ny matoanteny nosafidiny hanoritsoritana ny fitiavana dia maneho fa tsy izay tsapan'ny olona fotsiny no atao hoe fitiavana fa izay ataony sy ampihariny indrindra indrindra. Noho izany, dia ambarany fa ny fitiavana dia (1) mahari-po; (2) mora fanahy; (3) mifaly amin'ny fahamarinana; (4) mandefitra ny zavatra rehetra; (5) mino ny zavatra rehetra; (6) manantena ny zavatra rehetra; (7) maharitra ny zavatra rehetra. Etsy ankilan'izany, ny fitiavana dia (1) tsy mialona; (2) tsy mirehareha; (3) tsy mieboebo; (4) tsy manao izay tsy mahamendrika; (5) tsy mitady ny azy; (6) tsy mora sosotra; (7) tsy manao otripo; ary (8) tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana.

Ireo matoanteny 15 ireo no manome tari-dalana mazava momba ny fitondrantena tokony hananana eo amin'ny fampiasana ny fanomezam-pahasoavana. Tsara homarihina fa io fampianarana momba ny tena toetry ny fitiavana io dia hita eo anelanelan'ny 1 Kor. 12 sy 14, izay iresahan'i Paoly momba ny olana sy ny fifandirana mahakasika ny fanomezam-pahasoavana. Eny tokoa, ny fitiavana no tsiambaratelon'ny fampiasana amim-pahendrena ny fanomezam-pahasoavana. Mifanindran-dalana amin'ny finoana sy ny fanantenana koa ny fitiavana, "fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo."- 1 Kor. 13:13.

Nahoana ny fitiavana no ivon'ny finoantsika? Inona moa ny fomba tsara kokoa hananana fanandramana momba ny maha zava-misy marina ny fitiavan'Andriamanitra raha tsy amin'ny fikatsahana amim-bavaka ny haneho izany fitiavana izany amin'ny hafa?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal