Hodinihina mandritra ny herinandro: 1 Kor. 15; Lio. 24:44-47; Apôk . 20:5, 6; Kol. 2:12; 2 Tim. 1:12; 1 Tes. 4:13-17.
Tsianjery
"Ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny tori-teninay, ary foana koa ny finoanareo. (...) ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany hianareo."- 1 Kor. 15:14,17.
Mahavariana fa na dia tamin'ny andron'i Paoly aza dia efa niatrika ireo olona nandà ny fisian'ny fitsanganana amin'ny maty izy. Hitan'ny olona tamin'izany fotoana izany rahateo moa izay ataon'ny fahafatesana amin'ny vatan'olombelona. Fantatr'izy ireo fa mihasimba ny faty, miempo, ary tonga vovoka ka ny farany dia saika tsy misy intsony. Fantany fa efa hatry ny ela no nisy olona maty. Raha ny marina, efa hatry ny ela no nisy olona maty. Fantatr'izy ireo koa fa fohy kokoa ny fotoana hahavelomana raha miohatra amin'ny fotoana itoeran'ny olona ao am-pasana.
Noho izany, ny fitsanganan'ny maty dia toa tsy azo ninoana tamin'izany andro izany, raha ny fijerin'olombelona, toy ny fahitan'ny olona azy amin'izao andro izao ihany. Ary azo inoana fa lohahevitra iray nanomezan'i Paoly fanazavana izany.
Ary tena zava-dehibe tokoa ny fitsanganana amin'ny maty. Raha tsy nitsangana tamin'ny maty i Jesosy, dia tsy ho marina akory izay nolazainy momba ny Tenany, tsy ho nisy vokany ny hazo fijaliana ary tsy ho voaonitra ny fahotantsika. Tsy misy afa-tsy fahakiviana no ho anjarantsika raha izany. Saingy tsy izany, fa nitsangana tamin'ny maty ny Tompontsika, ary niakatra ho any an-danitra sy mbola hiverina indray hitondra antsika hody!
Amin'ity herinandro ity isika dia hifantoka amin'ny 1 Kor. 15 sy ny fampianarany momba ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty. Noho ny hery miasa mangina avy amin'ny fisainana mpanompo sampy nanodidina azy ireo, dia nisy tamin'ireo olona tao Korinto nilaza fa tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty. Ho setrin'izany, dia nambaran'i Paoly fa ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty no hany ahazoantsika fanantenana momba ny famonjena.
*Famerenana ny lesona ny sabata 22 Aogositra .