Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana
  2. Archive mensuelle

January 2025

Lesona 5: NY FAHATEZERAN'ANDRIAMANITRA FITIAVANA - Tsy sitrak’Andriamanitra ny hampahory ny olona.

Hita manerana ny Baiboly fa mihetsi-po matetika Andriamanitra manoloana ireo mijaly sy mpampahory, ary mifanaraka amin'izany ny fahatezerany amin'ireo mpampijaly. Tsy ho tezitra Andriamanitra raha tsy misy ny ratsy. Ny fanaovan-dratsy sy fanimbana ny voariny ihany, ary izany hatrany no mahatezitra Azy.

Lesona 5: NY FAHATEZERAN'ANDRIAMANITRA FITIAVANA - Fahatezerana ara-drariny

Na dia misy aza endrika fahatezerana maro tsy araka ny tokony ho izy, пу Baiboly dia mampianatra kosa fa misy ny "fahatezerana ara-drariny".

Alao sary an-tsaina hoe manara-maso ny zanany kely telo taona milalao eo an-tokotany ny renim-pianakaviana iray, no indro misy lehilahy mamely tampoka ilay zanany. Tsy tokony ho tezitra ve izy? Mazava loatra fa mahatezitra izany. Fihetsika ara-dalàna vokatry ny fitiavana ny fahatezerana amin'ny toe-javatra toy izany. Manampy antsika hahatakatra ny maha-ara-drariny пу fahatezeran’Andriamanitra io ohatra io.

Lesona 5: NY FAHATEZERAN'ANDRIAMANITRA FITIAVANA - Fianarana fanampiny

Vakio ny PM, toko 28: "Ny fanompoan-tsampy tao Sinay.

Lesona 5: NY FAHATEZERAN'ANDRIAMANITRA FITIAVANA - Malain-ko tezitra Andriamanitra

Tezitra amin'ny ratsy Andriamanitra satria fitiavana Izy. Be fiantrana sy be fahasoavana tokoa Andriamanitra, ary nisy mpaminany iray aza ao amin'ny Baiboly, nanome tsiny an'Andriamanitra satria mahari-po sy be famindrampo loatra Izy!

Jereo ny tantaran'i Jônà ao amin'ny Jônà 4:1-4, ka diniho ny fihetsiny manoloana ny fiantran'Andriamanitra ny Ninivita ka namelany ny helok'izy ireo. Inona no ambaran'izany amintsika mikasika an'i Jônà sy mikasika an'Andriamanitra? (jereo koa ny Mat. 10:8.)

Lesona 5: NY FAHATEZERAN'ANDRIAMANITRA FITIAVANA - Manome alahelo azy ny faharatsiana

Tia ny marina ary mankahala ny ratsy Ilay Andriamanitra ao amin'ny Baiboly. Koa manetsika lalina ny fihetseham-pony ny fahotana sy ny faharatsiana izay mampahory sy mampijaly ny olona, eny, na dia rehefa ny ratsy ataon'ny olona ihany aza no mahavoa azy. Halan'Andriamanitra ny ratsy satria mampahory ny voariny mandrakariva izany. Araka ny tantara ao amin'ny Baiboly dia mihantsy matetika ny fahatezeran Andriamanitra ilay antsoin'ireo mpandinika ny Baiboly hoe: "fitsingerin'ny fikomiana" ("cycle of rebellion"). Toy izao manaraka izao izany fitsingerin'ny fikomiana izany:

Lesona 5: NY FAHATEZERAN'ANDRIAMANITRA FITIAVANA - Fampidirana

Hodinihina mandritra ny herinandro: Sal. 78; Jona 4:1-4; Mat. 10:8; Mat. 21:12,13; Jer. 51:24,25; Rôm. 12:17-21.

Tsianjery:

"Nefa Andriamanitra kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany." - Sal. 78:38.

Lesona 4 : MAHARIPO SY MIANTRA ANDRIAMANITRA - Fianarany fanampiny

Vakio "Ny tena fahasambarana", toko faha-2 ao amin'ny boky SAMBATRA.

Lesona 4 : MAHARIPO SY MIANTRA ANDRIAMANITRA - Mahari-po sy miantra

Be fahari-po sy fiantrana ilay Andriamanitry ny Baiboly, ary ao amin'i Jesôsy Kristy no isehoan’ireo fihetsehampon’Andriamanitra ireo faratampony indrindra. Miray fo amintsika Andriamanitra (ampitahao amin'ny Isa. 63:9; Heb. 4:15); mahakasika Azy lalina ny fahorian'ny vahoakany (Mpits. 10:16; Lio. 19:41), ary vonona Izy ny hihaino sy hamaly ary hampionona azy ireo (Isa. 49:10,15; Mat. 9:36; Mat. 14:14).

Lesona 4 : MAHARIPO SY MIANTRA ANDRIAMANITRA - Andriamanitra saro-piaro

"Andriamanitra be fiantrana" ilay Andriamanitry ny Baiboly. Antsoina hoe el rahum Andriamanitra amin'ny teny Hebreo (Deo. 4:31). Midika hoe "Andriamanitra" ny teny hoe "el", ary ny rahum dia teny iray avy amin'ny fototeny hoenti-milaza ny fiantrana (raham). Tsy antsoina hoe Andriamanitra be fiantrana fotsiny anefa Izy fa Andriamanitra saro-piaro (el qana) koa. Toy izao no ilazan'ny Deo.

Lesona 4 : MAHARIPO SY MIANTRA ANDRIAMANITRA - Ny fangorahan’i Jesôsy

Ny karazam-panoharana sahala amin'izay hita ao amin'ny Testamenta Taloha ihany no ampiasaina ao amin'ny Testamenta Vaovao mba hanehoana ny fiantran'Andriamanitra. Tondroin'i Paoly hoe "Rain'ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra" ny Ray (2 Kôr. 1:3). Ho fanampin'izany, dia hazavainy ao amin'ny Efes. 2:4 fa "manan-karena amin'ny famindrampo" Andriamanitra ary manavotra ny olombelona "noho ny halehiben'ny fitiavany izay nitiavany antsika."

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal