" Tiava an’i Jehôvah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra; ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao. " Lio. 10:2.
" Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. " Gal. 2:20.
" Izaho Jehôvah efa niantso Anao tamin'ny fahamarinana sy nitantana ny tananao, ary hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an'ny olona, ho fanazavana ny jentilisa. " Isa. 42:6.
" Misaotra an’Andriamanitra aho fa miteny amin’ny fiteny tsy fantatra mihoatra noho hianareo rehetra aho; nefa raha ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy fantatry ny saiko mba hampianarako ny sasany koa, toy izay hanao teny iray alina amin’ny fiteny tsy fantatra. "1 Kôr. 14:18,19.
Mofon’aina: Tsy maintsy esorina hatramin’ny fakany ny fahadisoana, rehefa izay vao vonona handray ny masomboly tsara ny tany ka hampitrebona izany sy hitondra voa ho voninahitr’Andriamanitra.
Vakio ny "Mosesy", PM, ed. 1885, tt. 239-248, izay hitondra fanazavana manan-danja eo am-pandinihanao ny ampahan-tSoratra Masina amin'ity herinandro ity.
Vakio ny Eks. 2:11-25. Inona avy ireo tranga nifanesy faingana Izay nanova tanteraka ny drafi-piainan'l Mosesy? Inona avy ny lesona azontsika ianarana avy amin'lo tantara io?
Inona no hataon'i Mosesy? Hilefitra amin'ny fakam-panahin'i Egypta sy ny fahafinaretan'ny lapa ve izy, sa hiombom-pahoriana amin'ny vahoakany? Tsy ela dia nanery azy handray fanapahan-kevitra ny zava-nitranga.
Vakio ny Eks. 2:1-10. Inona no anjara asan'ny fitantanan'Andriamanitra sy ny fiarovany teo amin'ny tantaran'ny nahaterahan'i Mosesy?
Tena mahaliana ny tantara momba ny nahaterahan'i Mosesy sy ny fiainany satria niaina tamin'ny andron'ny tarana-mpanjaka Egyptianina faha-18 malaza izy. I Thutmose III, izay antsoina hoe "Napoléon an'i Egypta", no anisan'ny Farao nalaza indrindra tany Egypta fahiny.
Saro-takarina ny bokin'ny Eksodosy raha tsy raisina ho fototra ireo fampianarana ao amin'ny Genesisy. Nanorim-ponenana tao Egypta ny Jiosy, ary taorian'ny fotoana voafaritra nahitana fanambinana sy fiadanana, dia nandevozina izy ireo.