Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

- Fahendrena sy fahamatorana

Daty
Alarobia 15 July 2026

Vokatry ny fanomezan-danja be loatra ny olombelona mpitarika ny fitsitokotokoana ankapobeny. Mety hanimba ny firaisana eo anivon'ny fiangonana sy ny fahasalamana ara-panahin'ny mambra izany, satria ny fahadisoan-kevitra momba ny fanompoana kristianina dia mety hahatonga ny fiangonana hanome lanja tafahoatra ny mpitarika sasany, ka hanambany ny hafa. Mampisy rivo-piainana feno fifaninana, izay mety hampisara-bazana ny fiangonana, ny fihetsika toy izany. Ankoatra izany, raha ataontsika ivon'ny maha-kristianina antsika ny mpitarika, izay olombelona, dia i Kristy mihitsy no mety hesorintsika tsy ho eo amin'ny toerana tokony hisy azy eo amin'ny fiainantsika.

Vakio ny 1 Kor. 3:1-4. Ahoana no amaritan'l Paoly eto ny tsi-fahamatorana ara-panahin'ny Korintiana?

Nataon'i Paoly mazava tsara fa ny fahamatorana ara-panahy dia mitarika ny mpino hankasitraka ny fahendren'Andriamanitra (1 Kor. 2:6, 7), izay ampitaina amintsika amin'ny alalan'ny Fanahy Masina (1 Kor. 2:13), ary mifanohitra amin'ny fahendren'izao tontolo izao (1 Kor. 2:6) na ny fahendren'olombelona (1 Kor. 2:13). Naseho teo amin'ny hazofijalian'i Kristy ny fahendren'Andriamanitra (1 Kor. 2:1-4). Raha lazaina mazava kokoa, ny fahendren Andriamanitra dia voambara teo amin'ny fijalian'i Kristy, ny fahafatesany, ary ny fitsanganany tamin'ny maty. Koa mialoha ny namerenany ny antsony ho amin'ny firaisana (1 Kor. 3:1-17), dia tian'i Paoly ny mpamaky ny epistiliny mba hiaiky fa mila ilay fahendrena sy fahamatorana marina ao amin'i Kristy.

Olona araka ny Fanahy no atao hoe Kristianina hendry sy matotra, fa tsy araka ny nofo, ary tsy mbola zaza (1 Kor. 3:1). Mampitaha ny zava-panahy amin'ny zava-panahy izy ireo, satria «izay an'ny Fanahin'Andriamanitra (...) dia araka ny Fanahy no amantarana azy» - 1 Kör. 2:13,14. Mihinana ventin-kanina, fa tsy ronono (1 Kor. 3:2; ampitahao amin'ny Heb. 5:12) ny Kristianina hendry sy matotra. Ny mpino izay «Fa izay rehetra mivelona amin'ny ronono dia tsy zatra amin'ny tenin'ny fahamarinana, satria mbola zaza-bodo. Fa ho an'izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an'izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. Heb. 5:13,14. Ny Kristianina hendry sy matotra dia tsy manao hoe: «Izaho an'i Paoly» na «Izaho an'i Apolosy» (1 Kor. 3:4), rehefa miresaka momba ny mpitarika samihafa.

Raha ny marina, «mpiara-miasa amin'Andriamanitra» tahaka azy ireo ihany ireny olona ireny (1 Kor. 3:9). Sahan'Andriamanitra sy trano arafitr'Andriamanitra ary tempoliny isika, amin'ny maha-fiangonana antsika (1 Kor. 3:9,16,17). Isika rehetra dia an'Andriamanitra amin'ny alalan'i Kristy (1 Kor. 3:11).

Efa tratry ny fahadisoam-panantenana ve lanao noho ny olona iray izay nankasitrahanao fatratra? Raha efa niaina izany fanandramana Izany lanao, Inona no lesona noralsinao avy amin'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY -
Mon 13 Jul 2026
- Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Tue 14 Jul 2026
- Mifantoka amin’i Jesôsy.
Wed 15 Jul 2026
- Fahendrena sy fahamatorana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal