Noho ny maha fitiavana an'Andriamanitra (1 Jao. 4:8), dia tsy namorona ny olombelona ho toy ny milina izy. Manome toerana ny safidy ny fitiavana. Mba hahafahan'i Adama sy Eva mitia, dia tsy maintsy noforonina hanana fahafaha-misafidy izy ireo; raha tsy izany tsy ho afaka haneho fitiavana marina izy.
Araka izany, dia nanana safidy malalaka ny hankate na tsia ny Mpahary azy i Adama sy i Eva. Tao amin'ilay didy nandrara azy ireo tsy hihinana amin'ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy no nanehoana izany fahafaha-misafidy malalaka izany (jereo ny Gen. 2:15-17). Nahoana moa Andriamanitra no nampitandrina azy ireo tsy hihinana amin'io hazo io raha toa izy ireo tsy nanana fahafahana hanao izany hatrany am-piandohana?
"Ireo ray aman-drenintsika voalohany, na dia noforonina tsy manan-tsiny sy masina aza, dia tsy hoe tsy afaka ny tsy hanao fahadisoana. Noforonin'Andriamanitra ho olona manana fahafahana ara-moraly izy ireo, afaka mankasitraka ny fahendrena sy ny hatsaran'ny toetrany, ary ny fahamarinan’ny fitakiany, manana fahafahana feno haneho fankatoavana na tsy haneho. Natao hifaly amin'ny firaisana amin'Andriamanitra sy amin'ireo anjely masina izy ireo; (...) Raha tsy nanana fahafahana hisafidy izy, dia ho an-tery fa tsy an-tsitrapo ny fankatoavany." - PM, tt. 23, 24.
Nahoana i Adama sy i Eva no niezaka niafina ny Mpamorona azy taorian'ny tsy fankatoavan'izy ireo Azy? Vakio ny Gen. 3:1-8 (ampitahao amin'ny Jer. 23:24 sy ny Heb. 4:13).
Toe-javatra mahatsiravina no tantarain’ny Gen. 3: ny fahalavoan'i Adama sy i Eva. Taorian'ilay fifampiresahana tsy hay hadinoina nifanaovan'ny menarana (Satana) sy I Eva, dia nalaim-panahy hihinana tamin'ilay "hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy" ireo razambentsika voalohany, na dia efa norarana tsy hanao izany aza. Nampiasain'i Satana ny herin'ny teny sy ny fihetseham-po ary ny fampanantenana maharenoka mba handresen-dahatra an'i Eva, ary i Eva kosa nandresy lahatra an'i Adama, mba handika ny didin'Andriamanitra. Hitanli Eva fa "tsara ho fihinana" sady "mahafinaritra ny maso" ary "mahatsiriritra hampahahendry' izany hazo izany (Gen. 3:6). Toa tsy hay notoherina ny fampanantenan'i Satana fa ho "tahaka an'Andriamanitra (...), hahaiala ny tsara sy ny ratsy" izy ireo (Gen. 3:5).
Raha ny marina anefa, dia feno hadisoana ny lahatenin'i Satana. Nafeniny tamin'izy ireo ny vokatry ny tsy fankatoavany. Vantany vao tsy nankato an'Andriamanitra izy ireo, dia "nahiratra" ny masony, ary hitany fa "nitanjaka" izy. Nanjavona ilay "fitafianThy fahazavana sy voninahitr'Andriamanitra nandrakotra azy (Sal. 104:1,2), izay taratryny"endrik'Andriamanitra." Tsy voasaron'izay nomen'Andriannanitra azy intsony izy ireo. Tsy mahagaga raha niery an'ilay Mpamorona azy i Adama sy i Eva (toy ny hoe azo atao tokoa ny miafina an'Andriamanitra). Niezaka niafina izy ireo satria miteraka fahatsapana ho meloka ny fahotana, ary rehefa maha tsiaro ho meloka isika dia te handositra ny fanatrehan'Andriamanitra.
Nanao ahoana ny fanandramanao manokana mifandraika amin'ny henatra sy ny fitadiavana hiery ny tavan'Andriamanitra rehefa avy nanota?