Vakio ny 2 Kor. 5:11-15. Ahoana no anehoan'ireo andalan-teny ireo fa mifantoka amin'iKristy ny fanompoan'i Paoly?
Fantatr'i Paoly fa tsy maintsy ampamoahana momba ny fanompoany eo anatrehan'i Kristy izy (2 Kor. 5:10). Fantany koa ny "fahatahorana ny Tompo", ka izany no nanosika azy handresy lahatra ny olona ny amin'ny filazantsaran'i Kristy (2 Kor. 5:11). Fanajana lehibe an'i Kristy izany fahatahorana izany ary fitokiana amin'ny fitiavan'i Kristy azy. Tao amin'ny TT, ny fahatahorana an'i Jehovah dia midika ho fanarahana ny Sitrapony sy fitiavana Azy ary fanompoana Azy amin'ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika (Deo. 10:12).
Tsy nifantoka tamin'ny tenan'i Paoly ny asa fanompoana nataony fa nifantoka tamin'i Kristy. Tsy nitady hanandran-tena izy, fa i Kristy no nireharehany (2 Kor. 12:9). Hoy izy: "Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika."- Gal. 6:14. Noho izany, ny fahafahan'ny Korintianina mirehareha momba an'i Paoly (2 Kor. 5:12) dia midika ho fireharehan'izy ireo ny amin'ny fanompoany mifantoka amin'i Kristy, fa tsy tahaka ny fanompoana mifantoka amin'ny tena izay nataon'ireo mpanohitra azy.
Vakio ny 2 Kor. 5:16-21 sy ny Kol. 1:19-23 ary ny Efes. 2:13-16. Inona no tlan'i Paoly hambara amin'ny hoe "fanompoana fampihavanana"?
I Kristy no mpampihavana lehibe sy tsara indrindra. Izy no "nanome anay ny fanompoana fampihavanana"- 2 Kor. 5:18. Miverimberina ao amin'ny 2 Kor. 5:16-21 ny momba ny fampihavanana. Zava-manan-danja izany ho an'i Paoly, ka manan-danja amintsika koa.
Nampihavana ny taranak'olombelona amin'ny Tenany Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny fahafatesan'ny Zanany ho fanavotana antsika. Tonga olom-baovao ireo izay nampihavanina tamin'Andriamanitra (2 Kor. 5:17). Ary ankehitriny izy ireo dia tokony hampita ny "teny fampihavanana" amin'ny alalan'ny fitoriana ny filazantsaran'i Kristy (2 Kor. 5:19). Amin'izany, dia "iraka solon'i Kristy izahay, toa an'Andriamanitra mampangataka anay aminareo."- 2 Kor. 5:20.
Eritrereto izay nataon'i Kristy ho anao. Saintsaino ny heloka sy ny fahotana ary ny fanamelohana izay ho anjaranao raha tsy noho izay nataony ho anao teo amin'ny hazo fijallana. Ahoana no tokony ho fiantralkan'izany eo amin'ny fomba ifandralsanao amin'ny hafa, indrindra amin'Ireo izay tsy mahalala ny Tompo?