Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: "ΙΝΟΝΑ ΜΟΑ NO MBOLA ΑΖΟ ΝΑΤΑΟ (...), KA TSY EFA NATAOKO (...)"— Ilay Marina sy Mpanamarina.

Daty
Alatsinainy 10 March 2025

Mandrava ny asan'ny devoly mandrakariva ny asan'i Kristy. Araka ny voalaza ao amin'ny 1 Jao. 3:8: "Izao no nisehoan'ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly, ary koa mba handringanany amin'ny fahafatesana ilay manana ny herin'ny fahafatesana, dia ny devoly."Heb. 2:14. Kanefa mandalo dingana anankiroa vao tena resy tanteraka ny fahavalo sy ny fanjakany. Voalohany, ny hazo fijaliana no nentin'i Kristy nampihanjahanja ny fitak'i Satana izay nanendrikendrehany an'Andriamanitra. Ary avy eo, horavana i Satana sy ny fanjakany any am-parany.

Vakio ny Rôm. 3:23-26 sy ny Rôm. 5:8. Inona no asehon'ireo andininy ireo mikasika ny fomba andresen'i Kristy ny fiampangana ataon'ny devoly?

Araka ny efa hitantsika dia ambaran'ilay fahavalo ho tsy tena marina sy be fitiavana Andriamanitra. Kanefa fanehoana faratampony ny fahamarinany sy ny fitiavany no omen'Andriamanitra ao amin'i Kristy, tamin'ny alalan'ny hazo fijaliana.

Taorian'ny fahafatesan'i Jesôsy dia "Hitan'i Satana fa afaka ny nanaronany ny fitaka nataony. Mivelatra mivandravandra eo anatrehan'ireo anjely tsy nanota sy eo anatrehan'izao rehetra izao any an-danitra ny fomba fitondrany. Tamin'ny nandatsahany ny ran'ny Zanak'Andriamanitra, dia nanongotra ny tenany tsy ho tian'ireo mponina any an-danitra intsony izy." - IFM, t. 821, ed. 1983.

Vakio ny Apôk . 12:10-12 sy ny Gen. 3:15. Ahoana no anehoan'ireo andininy ireo ny halehiben'ny fandresen'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana?

Manome porofo maro be antsika ny tantaran'ny fanavotana, hany ka mahazo matoky isika fa mikendry izay mahasoa ny rehetra mandrakariva ny asan Andriamanitra amin'ny farany. Izay tsara sy mety hatrany no ataon'llay Andriamanitra ao amin'ny Soratra Masina, araka izay hitany fa azo atao ao anatin'ilay fifanandrinana lehibe (Deo. 32:4; 1 Sam. 3:18; Sal. 145:17; Dan. 4:37; Hab. 1:13; Apôk. 15:3; Gen. 18:25).

Nahoana no zava-dehibe tokoa ny fanaporofoana ny maha-marina sy fitiavana an'Andriamanitra ao anatin'ilay fifanandrinana lehibe? Rehefa misaintsaina momba ny hazo fijaliana sy ny asan'Andriamanitra rehetra ao anatin'ny drafi-panavotana ianao, ahoana no anampian'izany anao hatoky ny fitiavan'Andriamanitra na dia ao anatin'ny fitsapana sy ny fahoriana aza?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana
Sun 09 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny fanekena aloha.
Mon 10 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny Paska.
Tue 11 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Alintaram-panavaozana
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Thu 13 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Maniry fatratra ny fanatrehan’Andriamanitra.
Fri 14 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny
Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal