Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 12 December 2025

FIANARANA FANAMPINY:

Vakio "Ny nizarana ny tany Kanana", tt. 517-521 ao amin'ny PM.

"Koa samy zava-dehibe tokony halavirina ary, rehefa mananatra ny diso, na ny mitsilamodamoka fihetsika, na ny manao faniniana mitratrevatreva sy endrikendrika tsy marim-pototra. (...)

Mendrika halain-tahaka ny fahendrena nasehon'ny Robenita sy ireo rahalahiny. Raha niezaka hanompo tsara izy nefa natao tsinontsinona sy nosetraina mafy, dia tsy namela taratra lonjony kely akory. Ary rehefa avy nanazava an-tsipiriany ny anton-javatra nataony izy, dia hita miharihary ny tsy fananany tsiny. Voalamina tamin'ny raharaham-pihavanana ny sembana nety hampidi-doza mafy noho ny fihetsika tsara nataony.

Tokony hangina tsy hiteny ary tsy hiraika eo anoloan'ny fiampangana tsy marina ireo izay iharan'izany. Fantatr'Andriamanitra ny zavatra izay anendrikendrehan'ny olona antsika, ka dia azontsika apetraka Aminy amim-pahatokiana ny fikarakarana ny fiainantsika. Tahaka ny nampiharihariany ny fahotan'i Akana, dia tahaka izany koa nо hiarovany ireo izay miandry Azy. Ireo izay manana ny Fanahin'ny Mpamonjy ihany no hanana izany fitiavana mahari-po sady be famindrampo izany.

Maniry hahita ny firaisam-po sy ny fifankatiavana hanjaka eo anivon'ny olony Andriamanitra. Raha nivavaka i Jesosy fotoana fohy talohan'ny nanomboana Azy, día nangataka mba ho iray ihany tahaka ny maha-iray Azy amin'ny Rainy ireo mpianany, ary ny antony dia ny mba hahalalan'izao tontolo izao fa Andriamanitra no naniraka Azy. Natao ho antsika manerana ny taonjato rehetra koa io vavaka manetsi-po tafidina hatraty armintsika io. Dia nilaza marimarina indray i Jesosy hoe: 'Nefa tsy ho an'ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny. Jao. 17:20. Aoka tsy hisy na dia iray akory aza fitsipi-pahamarinana avela ho raraka an-tany, fa aoka isika hizotra tsy mitsahatra hanatratra ny firaisana izay manaporofo fa mpianatry ny Tompo isika." -PM, tt. 520, 521 (ed 2014), пр.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Hoy i Paoly: "aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany." -Fil. 2:3. Ahoana no hanampian'izany fananarana izany antsika tsy hanana eritreri-dratsy mikasika ny rahalahy/anadahy na ny anabavintsika/rahavavintsika?

2. Nahoana isika no matetika mitroatra manoloana ny toe-javatra iray noho ireo tsy fahombiazana na ny fahadisoana niseho tamin'ny lasa? Ahoana no hahafahantsika misoroka izany fironana izany?

3. Ifanakalozy hevitra ny maha-zava-dehibe ny fihainoana ny hevitry ny hafa. Ahoana no hikolokoloantsika ca sy sy hampitomboantsika hampitomboantsika ny ny fahaiza-mihaino fahaiza amin'ny fiangonana misy antsika? (Ampitahao ao amin'ny Jak. 1:19)

4. Monina ao anatin'ny fiaraha-monina izay ahitana fitakiana maro eo amin'ny lafiny araka asa isika, andraikitra maro ao amin'ny ankohonana sy ny fianakaviana, fanompoana samihafa any am-piangonana, ary ireo adidy maro hafa izay mety hanototra antsika. Ny fitsipika momba ny fanaovana ny zavatra rehetra toy ny ho an'ny Tompo dia tsy mahatonga antsika ho tompon'andraikitra kokoa fotsiny fa mitondra fiadanam-po ho antsika koa; amin'ny fomba ahoana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal