Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 20 June 2025

Vakio ny HM, "Fanafahana ny vahoakan' Andriamanitra", toko 40.

"Tamin'ny andro rehetra Andriamanitra dia nanampy sy nanafaka ny vahoakany tamin'ny alalan'ny anjely masina. Nandray anjara mivantana tamin'ny asa aman-draharahan'ny olombelona ireo mponina any an-danitra ireo. Nitafy fitafiana mamirapiratra tahaka ny helatra ny fahitana azy; naka endrik'olona koa, nitafy toy ny mpivahiny. Nisy anjely niseho tamin'ny endrik'olombelona tamin'ny olon'Andriamanitra. Niala sasatra izy, tahaka ny olona vizana, teo ambanin'ny hazo öka tamin'ny mitataovovonana. Nanaiky hiantrano tao amin'ny tokantranon'ny olona izy. Nanao ny asan'ny mpitari-dalana izy tamin'ny olona tratr'alina teny am-pandehanana. Ny tanan'izy ireny mihitsy no nandrehitra ny afo teo amin'ny alitara. Namoha ny varavaran'ny tranomaizina izy ka nanafaka ny mpanompon'i Jehovah. Nitafy ny fiadian'ny lanitra izy ka tonga nanakodia ny vato teo amin'ny fasan'ny Mpamonjy.

"Matetika ny anjely no maka ny endrik'olombelona manatrika ny fivorian'ny olo-marina; mitsidika koa ny fivorian'ny ratsy fanahy izy, tahaka ny nataony tany Sodoma, mba hanamarihany izay hitan'ny masony, hamantarany na efa nihoatra ny fatran'ny faharipon'Andriamanitra izy ireny. Mifaly amin'ny famindrampo i Jehovah, ary noho ireo olom-bitsy izay nanompo Azy marina, dia ferany ny loza ary ampaharetiny ny fiadanan'ny olona marobe. Tsy tsapan'ny mpanota manohitra an'Andriamanitra firy fa miankina amin'ireo olom-bitsy mahatoky izay mahafinaritra azy ny maneso azy sy mampahory azy ny fahavelomany. "-HM, tt. 657,658.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Vakio ny 2 Tim. 1:7. Ifanakalozy hevitra ny amin'ireo lafin-javatra ao amin'ny faminaniana izay nampitebiteby anao indrindra. Ahoana no hialantsika amin'ny tahotra ka hananantsika fanantenana ao amin'ny hafatr'Andriamanitra, na dia milaza fanenjehana noho ny finoana aza ny faminaniana?

2. Na sarotra ihany aza ny mino amin'izao ankehitriny izao fa mety hanodidina ny Sabata sy ny Alahady avokoa ireo toe-javatra hitranga amin'ny andro farany, dia diniho ny firimorimon'ny fiovan-javatra eto amin'izao tontolo izao. Inona no ampianarin'izany antsika? Nahoana no tsy tokony hanorina ny finoantsika amin'izay mitranga ankehitriny isika, izay mety hiova tampoka, fa amin'ny Tenin'Andriamanitra irery ihany?

3. Saino izay voalaza ao amin'ny Dan. 2 (sy ny Dan. 7 koa aza). Nifandimby araka izay nanambarana azy mialoha tokoa ireo fanjakana rehetra ao. Ankehitriny, rehefa mandinika ny tantara lasa isika, dia araka izay nanambarana azy mialoha koa no nataon'ireo. Raha ny vanim-potoana iainantsika no ijerena ny faminaniana, dia fanjakana iray sisa no mbola ho avy. Iza izany fanjakana izany? Ary nahoana no mahazo matoky isika fa ho tonga tokoa izany, araka ny nanambarana azy mialoha?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 May 2025
LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Fampidirana.
Sun 01 Jun 2025
LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Ny fahatezeran’i Zanak’ondry.
Mon 02 Jun 2025
LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Ny asa fitorian’i Noa.
Tue 03 Jun 2025
LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Ny tantaran’i Sodoma sy Gomora.
Wed 04 Jun 2025
LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Ilay Mpitsara ny tany rehetra.
Thu 05 Jun 2025
LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Ny fitsarana mialoha ny fiverenan’i Kristy.
Fri 06 Jun 2025
LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Fianarana fanampiny.
Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Fampidirana.
Sun 25 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana.
Mon 26 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Fanantenana eo anivon’ny hotakotaka.
Tue 27 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Ambanin’ny tongony.
Wed 28 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Divay sy rà.
Thu 29 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Mba ho fantatra ety ambonin’ny tany ny famonjenao.
Fri 30 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Fianarana fanampiny.
Sat 31 May 2025
LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (9)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal