Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Ny trano-lay fihaonana.

Daty
Alahady 14 September 2025

NY TRANO-LAY FIHAOΝΑΝΑ

Vakio ny Eks. 33:7-11. Nahoana Andriamanitra no nilaza tamin'i Mosesy mba hanorina ny trano-lay fihaonana?

Aoka tsy hafangarontsika ny "trano-lay fihaonana" (naorina teny ivelan'ny tobin'ny Isiraely) sy ny tabernakely izay naorina taty aoriana sy natao teo afovoan'ny toby. Tsy fantatsika hoe impiry i Mosesy no nihaona tamin'Andriamanitra tao anatin'ny trano-lay fihaonana, fa zavatra iray no fantatsika amin'ny fomba azo antoka: niteraka fisakaizana lalina teo aminy sy Andriamanitra ireny fihaonana ireny. "Ary Jehôvah niteny nifanatrika tamin'i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin'ny sakaizany." - Eks. 33:11. Ny sakaiza dia olona iray azontsika iresahana sy ifanakalozan-kevitra malalaka momba ny zavatra rehetra ary azo itokiana fa tsy hanambara izany amin'ny hafa. Ny sakaiza no zavatra tsara indrindra mety ananantsika ary ny ho tonga sakaizan'ny olona no zavatra tsara indrindra azontsika atao.

Manome fampahafantarana betsaka momba ny fomba anovanAndriamanitra ny fiainantsika ny tantaran'i Mosesy, araka izay voarakitry ny Eks. 19-34. Ahoana no nanorenan’Andriamanitra fifandraisana tamin'io mpitarika miavaka dia miavaka io? Ny fandinihana ny fiainan'i Mosesy no maneho amintsika ny fomba nitomboany tamin'ny fahalalana, tsy ny momba ny herin'Andriamanitra ihany fa momba ny Fitiavany sy ny Toetrany koa. Singa iray manan-danja eo amin'ny fifandraisana amin Andriamanitra izany.

Talohan'ny nahatongavan'i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay no efa nampiasan’Andriamanitra azy tamin'ny fomba mahery vaika, raha mbola nomanina ho amin'ny asa fitarihana manokana izy. Tany amin'ny tany Midiana, raha niandry ondry izy, dia nomenAndriamanitra tsindrimandry mba hanoratany boky roa: ny bokin'i Jôba sy ny Genesisy. Taorian'izay no niantsoan Andriamanitra azy hitarika ny Isiraely hivoaka avy tany Egypta, tao anatin'ny toe-javatra manaitran'ny roimemy nirehitra. Hitany ny faharesen’ireo andriamanitra egyptianina sy ny tafika maherin'i Egypta tao amin'ny Ranomasina Mena. Nandritra ny herinandro maro no nahitany ny fomba nitarihan'Andriamanitra ny ny Isiraely avy tany Egypta hankany Sinay. Taorian'ny fanandramana izay nampamirapiratra ny tavany no nitarihany ny Isiraely nandritra ny 39 taona indray, hatreo an-tsisin'ny Tany Nampanantenaina. Ambaran'ny hafatry ny Baiboly fa mpanompon Andriamanitra nahatoky i Mosesy (Deo. 34:5; Jos. 1:1), fahazavana namirapiratra tao anatin'ny haizina izy, mpaminany modely sy faka tahaka ho an'ny hafa (Deo. 18:15,18). Mpitondra fiovana izy, na dia tsy nanaraka ny torolalany sy ny teniny mandrakariva aza ny olona. Lehibe kosa ny fahombiazan'izy ireo rehefa nanao araka izany izy.

Azontsika atao ny misintona lesona avy amin'i Mosesy, noho ny tantaram-piainany miavaka, izay maneho amintsika ny zavatra azon’Andriamanitra atao rehefa mamela Azy hanova antsika isika. Inona avy ireo kihon-dalana teo amin'ny fiarahanao mandeha tamin' Andriamanitra, Izay nahatsapanao fa niasa tamin'ny fomba mahery vaika teo amin'ny fiainanao Izy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5:

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal