Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.

Daty
Alahady 14 June 2026

Vakio ny amin’ilay iraka lehibe voalaza ao amin'ny Mat. 28:18-20. Soraty ireo hafatra samy hafa tian'i Jesôsy ambara rehefa milaza Izy hoe «rehetra» na «mandrakariva» (izay voambolana iray ihany amin'ny teny grika, pas).

Naniraka antsika hitory ny hafany amin'izao tontolo izao i Jesôsy : "Mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra (...)". Ny hanao mpianatra no iraka nampanaovina ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito, ary avy eo, ireo mpianatra ireo koa dia hanao mpianatra hafa. Isika rehetra, amin'izay, no mitory ny filazantsara mandrakizay sy ny hafatry ny anjely telo (Apôk. 14:6-12) mba hanomana izao tontolo izao ho amin'ny fiavian'i Jesosy tsy ho ela.

Antsoina hijoro ho vavolombelona na iza na iza nandray fiainam-baovao tao amin'i Kristy. Matetika anefa no mihevitra ny olona fa zavatra tsy hainy atao, na tsy tiany atao, ny mijoro ho vavolombelona. Toy ny mitoriteny eny an-dalambe na mamelabelatra lohahevitra sarotra ao amin'ny Baiboly no mety ho fandraisany izany, koa manda mafy izy. «Tsy izaho ka, tsy izaho velively izany! Olona saro-kenatra aho; tsy manavanana ahy ny mijoro ho vavolombelona.»

Ny tena fijoroana ho vavolombelona anefa dia matetika vokatry ny fanatreha-maso ny zavatra ataon'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika, ny fahitana izay ampianariny antsika eo am-pitomboantsika ao Aminy, ary avy eo. ny fizarana fotsiny ny fanandramantsika amin'ny hafa. Tena tsara Andriamanitra, ary ny nataony ho antsika no vaovao mahafaly indrindra azon'izao tontolo izao renesina. Tsy afaka ary tsy tokony hangina isika! Nanavotra anao Izy; niantso anao tamin'ny anaranao — Azy ianao. Moa ve misy vaovao tsara mihoatra noho izany ho an'ny olona rehetra eto ambonin'ny tany?

Na tsy nianatra tao amin'ny sekolin'ny raby aza ny mpianatra tao amin'ny fiangonana voalohany, na tsy nahay nandaha-teny araka ny lovantsofina aza izy ireo, dia mbola azontsika atao tsara ny mandray lesona avy amin'izy ireo.

Vakio ny Asa. 1:8 sy nyAsa. 4:13. Toy ny ahoana ny fijoroana ho vavolombelona tao amin'ny fiangonana voalohany? lnona no akon'ny fijoroan'i Petera sy i Jaona ho vavolombe lona tamin'ireo izay nandre azy ireo?

Hoy i Petera sy i Jaona: "Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay" – Asa. 4:20. "Efa niaraka tamin'i Jesosy izy roa lahy" - Asa. 4:13, koa tsy hainy ny tsy hitory Azy. Ny Fanahy Masina no nanome azy ireo fahasahiana sy hery maharesy lahatra teo amin'ny teniny.

Manokana fotoana hivavahana izao. Mangataha herim-po amin'Andriamanitra mba hitoriana Azy amin'ireo olona apetrany eo amin'ny fiainanao. Mangataha fahendrena Aminy mba hahafantarana ny fotoana tokony hitenenana sy izay holazaina. Vakio ny 1 Jao. 4:7-11, ary mivavaha mba hanana izany karazam-pitiavana izany. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal