Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Daty
Alahady 22 June 2025

ILAY MPAMINANY MALAINA

Nisy fiantraikany manan-danja ny tantaran'i Jôna na dia fohy ihany aza (jereo ny Jõna 1-4). Mpino marobe no nahita taratra ny tenany teo amin'ity mpaminany malaina hamita iraka ity. Ahitana fanazavan-dalana mikasika ireo toe-javatra hiseho amin'ny farany koa ao amin'ny tantaran'i Jôna.

Vakio ny Mat. 12:38-42. Ampahany inona amin'ny tantaran'i Jôna no naverin'i Jesosy raha niresaka tamin'ireo mpanora-dalana sy Fariseo Izy? Inona ny lesona momba ny fitsarana hitantsika ao amin'ny fanambarany?

Nambaran'i Jesosy ny maha-lehibe noho i Jôna Azy. Fantany fa ny fahatongavana eto amin'ity tontolo ity dia midika ho hazo fijaliana nefa mbola tonga ihany Izy mba "hitady sy hamonjy ny very." - Lio. 19:10. Nandritra ny telo andro i Jôna no tao an-kibon'ny hazandrano noho ny fahotany ihany, i Jesosy kosa nijanona telo andro tao am-pasana noho ny fahotantsika. Izany no nilaina mba hamonjena ny very.

Amin'izao fotoana izao, dia mpaminany malaina izay nandà tsy hankany Ninive no ahafantarantsika an'i Jôna. Mora ny mahatakatra izany raha ny fomba fijerin'olombelona: fanjakana fatra-pampiasa herisetra ny Asirianina. Feno toe-javatra ahitana habibiana tsy fahita teny amin'ny sarisary manaingo ny rindrin'izy ireo: novonoina tamin'ny fomba feno habibiana indrindra ireo olona azony ho babo. Iza moa no haniry hirahina mba hitory fibebahana any amin'ny renivohitr'izy ireo?

Misy fotoana iray manan-danja ao amin'io tantara io izay azo heverina fa manondro mialoha ny fihetsehana misy ireo sisa amin'ny andro farany: rehefa nanontaniana ny mombamomba azy i Jôna, dia izao no navaliny: "Hebreo aho; ary Jehôvah , Andriamanitry ny lanitra, no ivavahako, dia Izay nanao ny ranomasina sy ny tany maina." - Fanambarana manam-pitoviana amin'ny hafatry ny anjely voalohany izany (Jôna 1:9; Apôk. 14:7). Mazava loatra fa manondro ny maha-Mpamorona an'Andriamanitra ny fanasongadinana Azy ho Ilay "nanao ny ranomasina sy ny tany maina." Izany no antony lehibe tokony hiankohofantsika Aminy, ary ny fiankohofana dia lohahevitra iray manan-danja ho an'ireo toe-javatry ny andro farany.

Etsy andanin'izany, isika koa dia nampiandraiketina ny fitoriana hafatra iray tsy mamim-bahoaka ao Babilona ara-panahy. Ny filazana hoe: "Mialà aminy hianareo, ry oloko" - Apôk. 18:4 dia midika ho fitoriana fibebahana amin'izao tontolo izao hafatra izay saika niteraka valinteny mitory fandavana mandrakariva avy amin'ny olona izany- eny fa na dia atao amin'ny fomba feno halemem-panahy indrindra aza. Iza amintsika moa no tsy mbola naharay valinteny mitory fandavana na fankahalana mihitsy aza raha nijoro ho vavolombelona? Tsy afa-misaraka amin'io "asa" io izany.

Firifiry amin'ireo toetran'i Jôna no hitanao eo amin'ny tenanao? Ahoana no ahafahanao miala amin'izany toe-tsaina ratsy izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal