Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Voaorina ny tabernakely.

Daty
Talata 23 September 2025

VOAORINA NY TABERNAKELY

Vakio ankapobeny ny Eks. 36:8-39:31. Nahoana, araka ny hevitrao, no nisy toromarika nomena an-Isipiriany toy izany? Inona no ambaran'Izany amintsika momba ny lanja omen' Andriamanitra ny tsipirian-javatra tsirairay?

Tamim-pitandremana no nanamboaran'i Mosesy ny tabernakely, ary narahiny tamim-pikaliana fatratra ireo toromarika nomena azy teny an-tendrombohitra Sinay. Mitanisa ireto manaraka ireto ny Soratra Masina: 

(1) ny tabernakely sy ireo lamba miaraka aminy, ny efitra lamba sy ny fizarany (Eks. 36:8-38); 

(2) ny fiaran'ny fanekena (Eks. 37:1-9);   
(3) ny latabatra ho an'ny mofo aseho (Eks. 37:10-16);    
(4) ny fanaovan-jiro (Eks. 37:17-24);   
(5) ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra (Eks. 37:25-29);   
(6) ny alitara ho an'ny fanatitra odorana (Eks. 38:1-7);     
(7) ny tavy fisasana (Eks. 38:8); (8) ny kianja (Eks. 38:9-20); ary (9) ny akora nampiasaina ho an'ny tabernakely (Eks. 38:21-31). Tohizan'ny Eks. 39 amin'ny fanoritsoritana ny efoda, ny saron-tratra ary ireo ampahany hafa amin'ny akanjon'ny mpisorona izany.

Lesona velona momba ny filazantsara ny fanompoana natao tao amin'ny tabernakely. izay naneho ny drafi-panavotan'Andriamanitra manontolo. Ireo fombafomba isan-karazany dia naneho (1) ny fankahalan'Andriamanitra ny fahotana sy ny fiatrehany izany. (2) ny fomba amonjeny ny olona mibebaka, (3) ny anjaran'ny ratsy fanahy, ary (4) ny toky omen’Andriamanitra ny amin'ny hoavy be voninahitra, izay tsy hisy faharatsiana intsony.

Nisy fanompoana roa samihafa, nefa mifandray akaiky, natao tao amin'ny fitoerana masina nandritra ny taona: ny isan'andro sy ny isan-taona. Naneho ny fomba fiatrehan Andriamanitra ny olan'ny fahotana sy ny fomba famonjeny ny mpanota io fanompoana misy fizarany roa io. Tamin'ny alalan'ny fanompoana isan'andro tao amin'ny fitoerana masina, no nanomezan'Andriamanitra toky ireo nibebaka fa namela ny fahotany Izy ary nanolotra azy ireo ny famonjena noho ny fahasoavany. Tsy maintsy nisy sorona natao mba handraisana io fanomezan'ny famonjena io, ary nanondro ny fahafatesan'ny Mesia ireo fanatitra ireo, izay voalaza fa ny rany no "manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra-1 Jao. 1:7. Ny fiaikena ny fahotana sy ny fandraisana ny akanjom-pahamarinan'l Kristy no ivon'io fanatitra io (Sal. 32:1,2). Tamin'izany fomba izany no nanomezan-toky ny mpanota nibebaka fa voavela ny helony, ary afaka mifaly amin'ny famonjena izy.

Ny fanompoana isan-taona, natao tamin'ny Andro Fanavotana, dia naneho ny fomba hamongoran Andriamanitra ny fahotana, hamahany ny olan'ny fahotana, ary naneho fa azo antoka ny hoavy tsy misy fahotana intsony (Lev. 16, Jao. 1:29). Ankehitriny, ny fanompoana roa sosona ataon'i Kristy ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra dia fanehoana anankiray koa ny asan'Andriamanitra ho antsika (Heb. 7:25), ary izany по hamaha tanteraka ny olan'ny faharatsiana (Dan. 7:13,14,22,27; Dan. 8:14; Apôk . 21:4).

Toerana niankohofana tamin'Andriamanitra ny fitoerana masina, toerana niderana sy nisaorana Azy. Fikolokoloana sy fihazonana ny fifandraisana amin'Andriamanitra ny atao hoe fiankohofana, izay anasan'Andriamanitra ny mpino hiditra amin'ny fisakaizana Aminy.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal