Hodinihana mandrltra ny herinandro:
Gen. 15:6; Gal. 3:6-9; 1 Mpanj. 18:19-39; Isa. 53; Dan. 2:46-48; Mar. 1:2-5; Mat. 11:1-6.
Tsianjery : "Ary nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho."– Isa. 6:8.
Tamin'ny andron'ny Baiboly dia nitana anjara toerana lehibe teo amin'ny tantaran'ny vahoakan' Andriamanitra ankapobeny ny mpaminany. Indraindray izy ireo mihitsy no tena asongadina, nomena andraikitra manan-danja, eny iankinan'aina aza teo amin'ny fiainan'ny fiarahamonina. Kanefa tsy mora ny asa iantsoana ny mpaminany. Sarotra ny fiainan'izy ireo ankapobeny, feno fahoriana, fandavana, tsy fahatakaran-javatra ary fahadisoam-panantenana. Matetika ny mpaminanin'Andriamanitra no tsy nankasitraka ny fiantsoana azy ho amin'ny asan'ny mpaminany. Ary tsy mahagaga izany. Mpaminany maro no nisetra fanoherana mafy avy aminlireo izay tokony ho nandray tsara ny hafatra nentiny. Natao tsinontsinona ny mpaminanin'Andriamanitra, nesoina, nokapohina, na naiditra am-ponja. Ny sasany notoraham-bato na nohazaina tahaka ny bibidia. Maro no maty maritiora. Ankehitriny, amin'izao taranaka be herisetra, fitsiriritana, fahalotoam-Oondrantena, fanararaotana ary fitaomana isan-karazany avy amin'i Satana izao, dia matetika laving ny feon'ny mpaminany na tsy henoina tsotra izao. Antsoina isika hihaino ny feon'ny mpaminanin'Andriamanitra sy ho mpitondra ny hafa-panantenana nomena antsika amin'ny alalan'ny mpaminany. Hitantsika tamin'ny herinandro lasa fa taorian'ny Fahalavoana tao Edena, dia niasa ho famerenana amin'ny laoniny ny fifandraisana amin'ny olombelona indray Andriamanitra. Hodinihintsika amin'ity herinandro ity kola ireo fotaa-manan-danja sasany nanamarika ny tantara, rehefa niantso mpaminany Andriamanitra mba hitaona ny vahoakany hihaino sy hitandrina indray ireo hafatra nampitondrainy ho an'izao tontolo izao lava.