Raha mampitaha ny fahadalan'ny olombelona amin'ny fahendren'Andriamanitra i Paoly, dia milaza fa "fahadalana amin'izay ho very" ny teny ny amin'ny hazo fijaliana (1 Kôr. 1:18). lo no voalohany amin'ireo fitanisany ny teny hoe "fahadalana" na "adala" (izay tanisainy in-6) ao amin'ny 1 Kôr. 1:18-31.
Vakio ny 1 Kôr. 1:20, 21, 23, 25 ary 27. Atioana no anampian'ireo teny momba ny fahadalana ireo antsika hahatakatra ny tian'i Paoly hambara raha milaza Izy fa fahadalana amin'izay ho very ny teny ny amin'ny hazo fijaliana?
Moria no teny grika hilazana ny hoe "fahadalana" ao amin'ny 1 Kor. 1:18. Indimy monja no ahitana io teny io ao amin'ny Testamenta Vaovao, ary ao amin'ny 1 Korintianina avokoa izany (1 Kor. 1:18, 21, 23; 1 Kôr-. 2:14; 1 Kôr. 3:19). lo teny io sy ireo teny hafa iray fototra aminy dia hita miverina imbetsaka ao amin'ny Testamenta Vaovao, ary ny antsasak'izany dia hita ao amin'ireo epistily nosoratan'i Paoly. Mary amin'ireo teny iray fototra aminy ao amin'ny Testamenta Vaovao no hita ao amin'ny 1 Kôr..
Ny fahadalana resahin'i Paoly ao amin'ny 1 Kôr. 1:18, 23 dia tsy mifandray loatra amininy tsy fahampian-tsaina, fa kosa amin'ny fahalotoam-pitondrantena sy amin'ny fahalotoam-pisainana, amin'ny tsy fahafantarana sy ny tsy fahaiza-manavaka izay tsara, ary mifandray amin'ny fikomiana amin'Andriamanitra koa aza. (zany no antony niresahany betsaka momba 10 lohahevitra io manerana ny 1 Kôr.
Eritrereto ny toe-javatra niainan'i Paoly tao amin'ity tanana ity. Tonga tao amin'ny toerana iray izy, toerana izay nirehareha fatratra noho izay noheverin'izy ireo ho fahalalana sy fahendrena ary harena ara-kolontsaina nananany. Ary ao anatin'izany tontolon-kevitra izany no iresahany momba ny Jiosy Galilianina iray, i Jesôsy avy any Nazareta, izay nohomboan'ireo Romanina ary avy eo nitsangana tamin'ny maty – izany rehetra izany dia mba hanefana ny sandareny fahotan'izy ireo sy ny fahotan'izao tontolo izao koa. Mamazivazy va re izany resaka ataon'i Paoly izany? lza no tadiaviny hino izany? Tsy fomba fijery ara-pilozofia vaovao izany, izay azo dinihina sy halalinina amin'ny alalan'ny filozofia, fa toy ny fanambarana adaladala izay tsy azon'ny Korintianina iray manam-pahalalana sy manan-tsaina horaisina ho zava-manan-danja.
Ary tahaka ny fiheveran'ireo Jentilisa ny hafatr'i Paoly ho tsy misy heviny, dia ratsy noho izany aza no nandraisan'ny Jiosy maro ny hafatra momba ny hazo fijaliana. Jiosy manao ahoana no niandrandra Mesia iray hohomboan'ny Romanina? Ny Mesia dia noheverina fa handresy ny Romanina fa tsy hohomboan'izy ireo.
Araka izany, hatramin'ny voalohany dia tojo sakana maro i Paoly tao Korinto. Nefa, na dia teo aza izany rehetra izany, dia fanahy maro — Jiosy sy Jentilisa — no babon'ny Filazantsara.
lnona ny lesona eto?
Na inona na inona fanoherana atrehintsika, dia manana olona vonon-kihaino ny fahamarinana Andriamanitra. Tsy maintsy vonona hampiasainy isika mba hanatrarana ireny olona ireny na aiza na aiza misy azy ireo, na dia amin'ireo toerana ratsy tahaka an'i Korinto tamin'izany fotoana izany aza, eny na dia any amin'izay ratsy lavitra aza.