Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3 : ANKASITRAHAN'ANDRIAMANITRA - Ankasitrahan’Andriamanitra?

Daty
Talata 14 January 2025

Ahoana no mety hiravoravoan Andriamanitra amin'izay olombelona vovoka sy mandalo, monina eo amina planeta bitika iray eo anivon'ny tontolo lehibe iray izay heverina ho midadasika tsy misy fetra? Ahoana no mahatonga ny olombelona hanana tombam-bidy lehibe toy izany eo imason'llay Avo Indrindra, Tsitoha, Izay tsy ory na inona na inona? Lafiny roa no azo anazavana ireo fanontaniana ireo. Voalohany, amin'ny fomba ahoana no ahazoana mampifaly an'Andriamanitra? Faharoa, amin'ny fomba ahoana no ahafahan'ny olombelona mitondra fifaliana ho an'Andriamanitra, kanefa mpanota isika? Ny lafiny voalohany no lohahevitra hodinihintsika anio, ary ny faharoa hodinihintsika rahampitso.

Vakio ny Isa. 43:4; Sal. 149:4; sy ny Ohab. 15:8,9. Inona no ambaran'ireo momba ny firavoravoan'Andriamanitra ny amin'ny olony?

Hitantsika tamin'ny ampahany omaly fa mahafaly an'Andriamanitra ny olombelona satria tiany, ka mihevitra izay mahasoa indrindra azy ireo Izy, toy ny olona rehetra tia sy miahy ny hafa.

Etsy ankilany anefa, tsy mahafaly an'Andriamanitra ny olony rehefa manao ratsy. Mampianatra antsika tokoa ny ao amin'ny Ohab. 15:8,9 fa ny fanatitra sy ny lalan'ny ratsy fanahy dia "fahavetavetana eo imason'i Jehôvah", ary izao koa, "ny fivavaky ny marina no sitrany", ary "izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany". Tsy mampiseho fotsiny ireo andininy ireo fa tsy tian'Andriamanitra ny ratsy, fa asehony koa fa mahafaly Azy ny tsara. Atao mifanindran-dalana eto ny fifalian'Andriamanitra sy ny fitiavany, ny fifandraisana ety eo amin'ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fifaliany, izay hita manerana ny Soratra Masina.

Izao no voalaza ao amin'ny Sal. 146:8: "Jehôvah tia ny marina". Hoy koa ny 2 Kôr. 9:7 hoe: "ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra." Mariho aloha fa tsy milaza tsy akory ireo andininy ireo hoe: "Ny marina ihany no tian'i Jehôvah ", na "ny mpanome amin'ny fifaliana ihany no tian'Andriamanitra". Tia ny olona rehetra Andriamanitra, saingy mba hampisy heviny izay voalaza eto dia azo inoana fa izao no tiana hambara: amin'ny fomba manokana no itiavan Andriamanitra ny "marina" sy ny "mpanome amin'ny fifaliana". Misy azo anazavana izany ao amin'ny Ohab. 15:8,9: Tian'Andriamanitra ireo olona ireo sy ny hafa koa satria ankasitrahany izy ireo.

Saino ny amin'ny fifandraisana ety mampifamatotra ny lanitra sy ny tany, hany ka miditra lalina amin'ny momba antsika mihitsy Ilay Andriamanitra Mpahary Izao rehetra izao, eny mandona ny fony aza ny amintsika. Inona ny fanantenana tokony ho voarainao avy amin'izany fahamarinana mahagaga Izany, indrindra raha mandalo ady sarotra ianao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal