Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3 : ANKASITRAHAN'ANDRIAMANITRA - Ankasitrahan’Andriamanitra?

Daty
Talata 14 January 2025

Ahoana no mety hiravoravoan Andriamanitra amin'izay olombelona vovoka sy mandalo, monina eo amina planeta bitika iray eo anivon'ny tontolo lehibe iray izay heverina ho midadasika tsy misy fetra? Ahoana no mahatonga ny olombelona hanana tombam-bidy lehibe toy izany eo imason'llay Avo Indrindra, Tsitoha, Izay tsy ory na inona na inona? Lafiny roa no azo anazavana ireo fanontaniana ireo. Voalohany, amin'ny fomba ahoana no ahazoana mampifaly an'Andriamanitra? Faharoa, amin'ny fomba ahoana no ahafahan'ny olombelona mitondra fifaliana ho an'Andriamanitra, kanefa mpanota isika? Ny lafiny voalohany no lohahevitra hodinihintsika anio, ary ny faharoa hodinihintsika rahampitso.

Vakio ny Isa. 43:4; Sal. 149:4; sy ny Ohab. 15:8,9. Inona no ambaran'ireo momba ny firavoravoan'Andriamanitra ny amin'ny olony?

Hitantsika tamin'ny ampahany omaly fa mahafaly an'Andriamanitra ny olombelona satria tiany, ka mihevitra izay mahasoa indrindra azy ireo Izy, toy ny olona rehetra tia sy miahy ny hafa.

Etsy ankilany anefa, tsy mahafaly an'Andriamanitra ny olony rehefa manao ratsy. Mampianatra antsika tokoa ny ao amin'ny Ohab. 15:8,9 fa ny fanatitra sy ny lalan'ny ratsy fanahy dia "fahavetavetana eo imason'i Jehôvah", ary izao koa, "ny fivavaky ny marina no sitrany", ary "izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany". Tsy mampiseho fotsiny ireo andininy ireo fa tsy tian'Andriamanitra ny ratsy, fa asehony koa fa mahafaly Azy ny tsara. Atao mifanindran-dalana eto ny fifalian'Andriamanitra sy ny fitiavany, ny fifandraisana ety eo amin'ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fifaliany, izay hita manerana ny Soratra Masina.

Izao no voalaza ao amin'ny Sal. 146:8: "Jehôvah tia ny marina". Hoy koa ny 2 Kôr. 9:7 hoe: "ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra." Mariho aloha fa tsy milaza tsy akory ireo andininy ireo hoe: "Ny marina ihany no tian'i Jehôvah ", na "ny mpanome amin'ny fifaliana ihany no tian'Andriamanitra". Tia ny olona rehetra Andriamanitra, saingy mba hampisy heviny izay voalaza eto dia azo inoana fa izao no tiana hambara: amin'ny fomba manokana no itiavan Andriamanitra ny "marina" sy ny "mpanome amin'ny fifaliana". Misy azo anazavana izany ao amin'ny Ohab. 15:8,9: Tian'Andriamanitra ireo olona ireo sy ny hafa koa satria ankasitrahany izy ireo.

Saino ny amin'ny fifandraisana ety mampifamatotra ny lanitra sy ny tany, hany ka miditra lalina amin'ny momba antsika mihitsy Ilay Andriamanitra Mpahary Izao rehetra izao, eny mandona ny fony aza ny amintsika. Inona ny fanantenana tokony ho voarainao avy amin'izany fahamarinana mahagaga Izany, indrindra raha mandalo ady sarotra ianao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 09 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal