Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 3: SARY AN'OHATRA AVY AMIN'NY FANAMBADIANA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 12 April 2025

Hodinihana mandritry ny herinandro: Gen. 2:23-25; Efes. 5:29-32; Ezek. 16:4-14; Apôk. 18:1-4; Gen. 24:1-4; Apôk . 19:1-9.

Tsianjery: "Ary hoy koa izy tamiko: Soraty: Sambatra izay nantsoina ho amin'ny fanasana fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Fa hoy izy tamiko: Ireo dia teny marin'Andriamanit 'Andriamanitra." - Apok. 19:9.

Ahitana tantaram-pitiavana marobe ao amin'ny Baiboly, izay maneho A amin'ny amin'ny fomba miezinezina ireo lafiny maro momba ny famonjena sy ny fitiavan'An 'Andriamanitra ny olony. Hita fa ny fanambadiana, izay fifandraisana ety indrindra, dia sekoly hianarantsika lesona sarobidy momba ny fitiavan'Andriamanitra antsika sy ny fifandraisantsika Aminy ary ny fetra nihoarany mba hanavotana antsika, raha manaiky hiaina izany fanandramana izany araka ny fikasan'Andriamanitra isika.

Mandiso ny fahafahantsika mandray tsara ny lesona ezahin'Andriamanitra ampianarina amin'ny alalan'ny fanekem-panambadiana ny fomba fijery môderina mikasika ny fitiavana sy ny fanambadiana. Na dia nitondra fahasimbana betsaka teo amin'ny fanambadiana (sy ny zavatra hafa rehetra) aza ny fahotan'ny olombelona, dia mbola fomba iray manan-danja azo anehoana ny fahamarinana ihany ny fanambadiana, eny fa na ny fahamarinana ara-paminaniana aza. Ankoatra ny tokony hitondran'ny fanambadiana fahasambarana ho antsika, dia tokony ho sekoly ianarantsika lesona sarobidy momba ny tenantsika sy ny fifandraisantsika amin'Andriamanítra koa izany.

Hodinihintsika mandritra ity herinandro ity ireo fomba samy hafa hoentin'ny Tenin'Andriamanitra miresaka momba ny fanambadiana, na ny fanambadiana sambatra izany na izay mikorontana. Amin'izany no hisintonantsika lesona avy amin'ireo ohatra voatanisa, mba hahatakarantsika bebe kokoa ny fomba ifandraisan'Andriamanitra amin'ny vahoakany na dia tsy tanteraka aza izy ireo. Hianarantsika amin'izany ireo fahamarinana sasany momba ny fitiavan'Andriamanitra izay hanampy antsika hahatakatra bebe kokoa ireo toe-javatra miseho amin'ny andro farany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 09 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal