Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.

Daty
Alahady 18 January 2026

Vakio ny Fil. 2:1-3. Inona no azo heverina fa niteraka ny fisaratsarahana tao amin'ny fiangonana? Inona no fanefitra atoron'i Paoly manoloana izany?

Azo inoana fa lehibe tokoa ny fahadisoam-panantenan'i Paoly raha nahita ny fiangonana naoriny sy nolalainy fatratra nozarazarain'ny fifampiandaniana sy nokikisaniny fifandirana. Fiteny mahery vaika tokoa no ampiasainy mba hiresahana momba izany olana izany. Ny hoe "fifampiandaniana" (na "filan-dera foana" ao amin'ny dikantenin'ny Baiboly katolika) dia dikan'ny teny iray (grika: erithela), izay ampiasainy ao amin'ny Fil. 1:17 mba hiresahana momba ireo fahavalony tany Roma izay tia tena tokoa ka naniry ny hampisongadina ny tenan'izy ireo fa tsy ny hampandroso ny asan'i Kristy.

Anankiray amin'ireo asan'ny nofo ny "fifampiandaniana" (Gal. 5:20), ary i Jakoba dia nilaza izao teny izao: "Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbarninlzay asa ratsy rehetra." - Jak. 3:16. Ao amin'ny Testamenta Vaovao ihany no ampiasana ny teny grika izay adika hoe "rnandrani-tena foana" (Fil. 2:3), fa any amin'ny lahatsoratra ivelan'ny Baiboly kosa dia tahaka izao ny hevitrizany: avonavona, fireharehana poakaty ary fiheveran-tena ho zavatra. Mampiasa teny mitovitovy amin'ireo i Paoly ao amin'ny fananarana nataony tamin'ny Galatianina: "Aoka isika tsy hirehareha ka hampisy fifaninanana sy fifampialonana." - Gal. 5:26.   
Mariho ireo fanefitra tanisain'i Paoly ho an'ireo olana ireo:       
     1. Fampirisihana ao amin'i Kristy. Mampiasa ny ohatra nasehon'i Kristy Paoly ho fampirisihana lehibe.     
     2. Farnpiononana avy amin'ny fitiavana. Maneho ny fitiavan'Andriamanitra i Jesosy ary mandidy antsika "mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo." - Jao. 15:12.      
     3. Firaisana amin'ny Fanahy. Ny fanatrehan'ny Fanahy Masina no miteraka fifandraisana ety eo amin'ny Kristianina, tahaka izay nisy teo anivon'ny fiangonana voalohany (Asa. 2:42: ampitahao amin'ny 2 Kôr. 13:14).      
     4. Famindrampo. Hitantsika matetika teo amin'ny fiainan'i Kristy izany toetran'Andriamanitra izany (jereo ny Mat. 9:36; Mat. 20:34; Mar. 1:41) ary voaresaka ao amin'ny fanoharana momba ny Samaritana tsara fanahy (Lio. 10:33) sy ny zanaka adala (Lio. 15:20). 
     5. Fiantrana. lo toetra iray io, izay hita tea amin'i Jesôsy, dia tokony ho hita eo amin'ny fiainan'ireo mpanara-dia Azy koa (Lio. 6:36). 
     6. Mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra. Sary manao ahoana re izany! Sarotra ny mahazo an-tsaina ny fomba hafa noho izany, izay hahafahan'i Paoly manasongadina bebe kokoa ny maha-zava-dehibe ny firaisan-kina. Araka izay holazainy ao amin'ny andininy manaraka, dia tokony ho ao amintsika ny saina "izay tao amin'i Kristy Jesôsy koa." - Fil. 2:5. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal