Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa

Daty
Alakamisy 23 October 2025

NY SAFIDY TSARA INDRINDRA FAHAROA

Vakio ny Eks. 17:7-13 sy ny Jos. 6:15-20. Inona по fitoviana hitanao eo amin'ireo tantara roa miresaka ady ireo? Inona no maha-samy hafa azy ireo?

Ny ady voalohany nataon'ny Isiraely taorian'ny nanafahana azy tamin'ny fanandevozana dia voarakitra ao amin'ny Eks. 17, izay niarovan'ny Isiraelita ny tenany tamin'ny Amalekita. Efa nahita ny herin'Andriamanitra tsy manarn-petra ny Isiraely tamin'ny namelezany ny Egyptianina sy nanafahany ny Isiraelita. Efa hitantsika fa tsy ny hiadian'ny Isiraely amin'ny hafa no drafitr Andriamanitra ho azy tany am-boalohany (Eks. 23:28; Eks. 33:2). Saingy fotoana fohy taorian'ny nanafahana azy ireo tany Egypta, dia nanomboka nimonomonona teny an-dalana ny Isiraelita (Eks. 17:3), ary nisalasala ny amin'ny fanatrehan'Andriamanitra mihitsy aza. Tamin'io fotoana io no tonga niady tamin'ny Isiraely ny Amalekita. Tsy kisendrasendra izany. Navelan'Andriamanitra hanafika ny Isiraely ny Amalekita mba hianaran'izy ireo mitoky Aminy indray.

Tsy nanitsakitsaka ny fitsipiny Andriamanitra raha nidina teo amin'ny laharan' ny olony, ka tsy nitsahatra niantso azy ireo mba hiverina amin'ny drafiny ho azy ireo: dia ny fianteherana sy ny fitokiana tanteraka amin'ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra. Raha ny marina, tsy nomena ny lalan'ny ady (Deo. 20) raha tsy taorian'ny 40 taona tany an'efitra, izay vokatry ny tsy finoan'ny Isiraely koa. Nitaky paikady vaovao ny toe-javatra vaovao, ary tamin'izany ihany no nitakian'Andriamanitra ny Isiraely handringana tanteraka ny Kananita (Deo. 20:16-18).

Nanjary nila niady ny Isiraely, ary ankoatra izany dia nanjary fizahan-toetra ny fahatokian'izy ireo tamin'i Jehovah koa izany. Tsy nanary azy ireo Andriamanitra fa navelany hanatri-maso ny heriny ny Isiraelita tamin'ny alalan'ny fianteherana tanteraka Taminy.

Hita mazava ao amin'ny tsoa-kevitra nataon'i Josoa any amin'ny faran'ny boky fa nandray anjara tamin'ny fahazoana ny fandresena ny Isiraelita. Voalaza fa niady tamin'ny Isiraelita ny Kananita (Jos. 24:11). Na vokatry ny fahagagana avy amin'Andriamanitra aza ny firodanan'ny mandan'i Jeriko, dia tsy maintsy nandray anjara mavitrika tamin'ny ady ny vahoaka Isiraely sy niatrika ny fanoherana mafy nataon'ny mponin'ilay tanana.

Nanjary fomba iray nampitomboana ny fitokiana tsy misy fepetra tamin'ny fanampian'i Yahweh ny fandraisan'ny Isiraely anjara tamin'ny ady mitam-piadiana. Na izany aza, nampahatsiahivina hatrany ny Isiraely (Jos. 7:12,13; Jos. 10:8) fa teo am-pelatanan'ny Tompo ny fahombiazan'ny ady tsirairay, ary ny hany mety hampiova ny vokatry ny ady dia ny finoany, na ny tsy finoany ny teny fikasan'ny Tompo. Anjaran'izy ireo ny misafidy.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal