Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Ny loza telo voalohany.

Daty
Talata 22 July 2025

Tsy nokendrena hamelezana ny Egyptianina ireo loza folo tany Egypta fa natao ho an'ireo andriamanitr'izy ireo. Namely andriamanitra iray farafahakeliny tamin'izy ireny ny loza tsirairay.

Vakio ny Eks. 7:14--8:19. Inona no niseho tamin'ny fotoan'ireo loza ireo?

Nilaza tamin'i Mosesy Andriamanitra fa ho sarotra ary mila tsy ho azo heverina akory aza ny fifampiresahana amin'i Farao (Eks. 7:14). Niriny anefa ny hampiseho ny maha-Andriamanitra Azy amin'i Farao sy ireo Egyptianina; izany no nahatonga Azy nanapa-kevitra ny hampita hafatra amin'ny fomba azon'izy ireo takarina. Handray tombontsoa avy amin'izany fifanandrinana izany koa anefa ny Hebreo satria hahazo fahalalana bebe kokoa momba ilay Andriamaniny izy.

Nokendrena hamelezana ny andriamanitry ny renirano Neily, Hapi, ny loza voalohany (Eks. 7:17-25). Niantehitra tanteraka tamin'ny rano avy tao amin'ny reniranon'i Neily ny fiainana tao Egypta. Nisy fiainana teo amin'izay nolalovan'io renirano io. Ny rano no fototry ny aina, ka namorona ny andriamaniny (Hapi) izy ireo ary niankohoka taminy amin'ny maha-mpanome fiainana azy.

Mazava loatra fa ilay Andriamanitra velona irery ihany no Loharanon'ny fiainana. Izy no Mpamorona ny zavatra rehetra, ao anatin'izany ny rano sy ny hanina (Gen. 1:1,2, 20-22; Sal. 104:27,28; Sal. 136:25; Jao. 11:25; Jao. 14:6). Maneho ny fanovana ny fiainana ho fahafatesana ny fanovana ny rano ho ra. Tsy afaka nanome fiainana sy niaro ny aina akory i Håpi; ny herin'i Jehovah irery ihany no afaka manao izany.

Nomen'Andriamanitra tombontsoa fanindroany i Farao taorian'izany. Tamin'ity indray mitoraka ity, dia i Héqet, ilay andriamanitra sahona, no niantefan'ny famelezan' Andriamanitra mivantana (Eks. 8:1-15). Tsy fiainana no nentin'ny reniranon'i Neily tamin'izay fa sahona marobe; biby izay natahoran'ny Egyptianina sy halany ary naharikoriko azy izany. Nirin'izy ireo ny hampiala ireo sahona ireo. Naseho tamin'ny fotoana katroka nialan'io loza io fa ny herin'Andriamanitra no tao ambadik'izany loza izany.

Ny loza fahatelo no nolazalazaina tamin'ny fomba fohy indrindra (Eks. 8:16-19). Tsy voafaritry ny teny hebreo "kinnim" mazava ny karazam-bibikely eto (aloy, moka, kongona, hao?). Nokendren'Andriamanitra hamelezana ny andriamanitry ny tany izay nivavahan'ny Egyptianina (Geb) izany. Avy tamin'ny vovoky ny tany (mampahatsiahy ny tantaran'ny Baiboly momba ny Famoronana) no namoahan’Andriamanitra aloy izay niely nanerana ny tany. Tsy nahavita namerina io fahagagana io ireo omblasy egyptianina (Andriamanitra irery no mahay manome aina) ka nilaza hoe: "Rantsantanan’Andriamanitra ity " - Eks. 8:19. Tsy mbola nampihontsona an'i Farao ihany anefa izany.

Eritrereto ny hamafisam-pon'i Farao. Vao mainka nanampy trotraka ny toe-javatra ny fandavany miverimberina ny fanasan Andriamanitra. Inona ny lesona azontsika raisina mahakasika ny fandavana mandrakariva ny fitaoman Andriamanitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal