Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Ny loza telo voalohany.

Daty
Talata 22 July 2025

Tsy nokendrena hamelezana ny Egyptianina ireo loza folo tany Egypta fa natao ho an'ireo andriamanitr'izy ireo. Namely andriamanitra iray farafahakeliny tamin'izy ireny ny loza tsirairay.

Vakio ny Eks. 7:14--8:19. Inona no niseho tamin'ny fotoan'ireo loza ireo?

Nilaza tamin'i Mosesy Andriamanitra fa ho sarotra ary mila tsy ho azo heverina akory aza ny fifampiresahana amin'i Farao (Eks. 7:14). Niriny anefa ny hampiseho ny maha-Andriamanitra Azy amin'i Farao sy ireo Egyptianina; izany no nahatonga Azy nanapa-kevitra ny hampita hafatra amin'ny fomba azon'izy ireo takarina. Handray tombontsoa avy amin'izany fifanandrinana izany koa anefa ny Hebreo satria hahazo fahalalana bebe kokoa momba ilay Andriamaniny izy.

Nokendrena hamelezana ny andriamanitry ny renirano Neily, Hapi, ny loza voalohany (Eks. 7:17-25). Niantehitra tanteraka tamin'ny rano avy tao amin'ny reniranon'i Neily ny fiainana tao Egypta. Nisy fiainana teo amin'izay nolalovan'io renirano io. Ny rano no fototry ny aina, ka namorona ny andriamaniny (Hapi) izy ireo ary niankohoka taminy amin'ny maha-mpanome fiainana azy.

Mazava loatra fa ilay Andriamanitra velona irery ihany no Loharanon'ny fiainana. Izy no Mpamorona ny zavatra rehetra, ao anatin'izany ny rano sy ny hanina (Gen. 1:1,2, 20-22; Sal. 104:27,28; Sal. 136:25; Jao. 11:25; Jao. 14:6). Maneho ny fanovana ny fiainana ho fahafatesana ny fanovana ny rano ho ra. Tsy afaka nanome fiainana sy niaro ny aina akory i Håpi; ny herin'i Jehovah irery ihany no afaka manao izany.

Nomen'Andriamanitra tombontsoa fanindroany i Farao taorian'izany. Tamin'ity indray mitoraka ity, dia i Héqet, ilay andriamanitra sahona, no niantefan'ny famelezan' Andriamanitra mivantana (Eks. 8:1-15). Tsy fiainana no nentin'ny reniranon'i Neily tamin'izay fa sahona marobe; biby izay natahoran'ny Egyptianina sy halany ary naharikoriko azy izany. Nirin'izy ireo ny hampiala ireo sahona ireo. Naseho tamin'ny fotoana katroka nialan'io loza io fa ny herin'Andriamanitra no tao ambadik'izany loza izany.

Ny loza fahatelo no nolazalazaina tamin'ny fomba fohy indrindra (Eks. 8:16-19). Tsy voafaritry ny teny hebreo "kinnim" mazava ny karazam-bibikely eto (aloy, moka, kongona, hao?). Nokendren'Andriamanitra hamelezana ny andriamanitry ny tany izay nivavahan'ny Egyptianina (Geb) izany. Avy tamin'ny vovoky ny tany (mampahatsiahy ny tantaran'ny Baiboly momba ny Famoronana) no namoahan’Andriamanitra aloy izay niely nanerana ny tany. Tsy nahavita namerina io fahagagana io ireo omblasy egyptianina (Andriamanitra irery no mahay manome aina) ka nilaza hoe: "Rantsantanan’Andriamanitra ity " - Eks. 8:19. Tsy mbola nampihontsona an'i Farao ihany anefa izany.

Eritrereto ny hamafisam-pon'i Farao. Vao mainka nanampy trotraka ny toe-javatra ny fandavany miverimberina ny fanasan Andriamanitra. Inona ny lesona azontsika raisina mahakasika ny fandavana mandrakariva ny fitaoman Andriamanitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal