PM, toko 28, "Ny fanompoan-tsampy tao Sinay".
"Akory ny habetsaky ny soa azontsika atao raha mifandray tsara araka ny tokony kony ho izy isika! Na iza na iza nandray fitahiana avy any an-danitra dia manana adidy hitondra fanazavana eo amin'ny lalan'ny hafa. (...) Koa izay rehetra tia an'Andriamanitra marina dia hitsahatra tsy hanao ny "izaho" ho sampiny intsony." - RH, 18 Nôvambra 1884, t. 730.
"Nampirisika ny rahalahy i Paoly mba handinika sao mampiseho ohatra ratsy ho an'ny hafa ny fiteniny sy ny asany. Nanariny izy tsy hanao na inona na inona izay hanahafany ny mpanompo sampy, na koa handratrany ny sain'ny malemy finoana. "Koa amin'izany, na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr Andriamanitra izany rehetra izany."
"Ny anatra nataon'i Paoly ho an'ny fiangonana tany Korinto dia azo ampiharina koa amin'ny vanim-potoana rehetra, indrindra ho antsika ankehitriny. Raha nilaza ny amin'ny fanompoan-tsampy izy, dia tsy ny tena sampy ihany no tiany holazaina, fa ny fitiavan-tena koa, ny fikatsahana fiainana mora, ny fanaram-po amin'ny filàna isan-karazany." VM, t. 277.
"Raha hitanao fa manakana ny fandrosoan'ny asan'Andriamanitra ny fanaovanao zavatra sasany, na dia zonao tanteraka aza ny manao izany, dia aleo tsy atao izany zavatra izany. Áza manao na inona na inona izay hanakatona ny sain'ny hafa tsy handray ny fahamarinana. (...) Ny zavatra rehetra dia azo atao, saingy tsy ny zavatra rehetra no mahasoa." - TFC, b. 9, t. 215.
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Ho an'i Paoly, indraindray ny fitondrantenan'ny Kristianina efa matotra dia mety hanakana ny fitomboan'ny an'ny Kristianina tsy mbola matotra. Eritrereto ireo toe-javatra mety hitrangan'izany. Nahoana no ilay foto-kevitra momba ny fitiavana an'Andriamanitra ambonin'ny zavatra rehetra, sy ny fitiavana ny namana tahaka ny tena, no fomba tokana azo hamahana izany olana izany?
2. Inona avy ireo sampy izay mety hanjary hivavahan'ny Kristianina raha tsy mitandrina izy ireo? Inona ireo zavatra tsara izay mety hivadika ho sampy? Ary koa, ahoana no ahafantaranao raha efa tonga sampinao ny zavatra iray izay manan-danja fatratra aminao?
3. Hoy i Paoly: "Asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako" - 1 Kor. 9:27. Araka ny lesona tamin'ity herinandro ity, diniho inona no mety hahatonga ny olona iray holavina na mpitory ny filazantsara aza?
4. Miresaka ny maha-zava-doza ny fanompoan-sampy i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 10, ka hoy izy: "Mandosira ny fanompoan-tsampy" - and. 14. Inona no tena maha-ratsy ny fanompoan-tsampy?