Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FIJOROANA HO VAVOLOMBELON'IREO SAMARITANA - Ny fijoroan’ireo Samaritana vavolombelona

Daty
Alakamisy 31 October 2024

Vakio ny Jao. 4:27-29. Inona ny fihetsika manaitra nataon'ilay vehivavy?

Tapaka noho ny fahatongavan'ireo mpianatra ny resaka nifanaovan'i Jesôsy tamin'ilay vehivavy. Gaga noho ny fahitana an'i Jesôsy niresaka tamin'ny vehivavy iray ireo mpianatra ireo; tsy nanontany Azy ny amin'izany anefa izy fa nandrisika Azy mba hihinan-kanina fotsiny.

Tetsy ankilan'izany dia nandao ny sininy ravehivavy ka nihazakazaka nankany an-tanana mba hizara ny fanandramana vao avy niainany niaraka tamin'i Jesôsy.

Vakio ny Jao. 4:30-42. Inona no nitranga taorian'io fihaonana io, ary inona ny lesona ampianarin'izany mikasika ny fielezan'ny filazantsara?

Toa hafahafa ny fahitana fa manapaka ny tantara momba ny fiovam-pon'olona maro tao amin'ilay tanana ny fitantaran'i Jesôsy mikasika ny fijinjana. Tian'i Jaona anefa ny hahitantsika ny fahatakaran'i Jesôsy ny zava-nitranga. Zava-dehibe lavitra ho Azy mihoatra noho ny fihinanan-kanina ny fizarana ny drafi-pamonjena tamin'ny vehivavy Samaritana iray. Ny hitarika ny fanahintsika ho amin'ny famonjena no tanjony, ary nampiasa io fotoana fanararaotra io Izy mba hampianarana ny mpianany ny fahamehan'ny fizarana ny filazantsara amin'ny olona rehetra, eny fa na ireo izay tsy mitovy amin'izy ireo aza.

Misy toe-javatra manan-danja maro ao amin'ny filazantsaran'i Jaona, ary azo antoka fa anankiray amin'izany ny Jao. 4:39-42. Maro tamin'ireo Samaritana no nino noho ny fijoroana ho vavolombelona nataon'ilay vehivavy izay nilaza hoe: "Nolazainy tamiko avokoa izay rehetra nataoko" - Jao. 4:39.

Nangataka tamin'i Jesôsy ny mba hijanonany teo aminy ireo Samaritana. Vokatr'izany dia nitombo ny isan'ireo nino noho ny amin'ny Tenin'i Jesôsy. "Ary maro koa no nino noho ny teniny ka nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao." - Jao. 4:42.

Inona no tokony hambaran'io tantara io mikasika ny herin'ny fijoroana ho vavolombelona na dia olona iray ihany aza no manao izany? Manao ahoana ny herin'ny fijoroanao ho vavolombelona ny amin'izay nataon'i Jesôsy teo amin'ny fiainanao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal