Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FIJOROANA HO VAVOLOMBELON'IREO SAMARITANA - Ny fijoroan’ireo Samaritana vavolombelona

Daty
Alakamisy 31 October 2024

Vakio ny Jao. 4:27-29. Inona ny fihetsika manaitra nataon'ilay vehivavy?

Tapaka noho ny fahatongavan'ireo mpianatra ny resaka nifanaovan'i Jesôsy tamin'ilay vehivavy. Gaga noho ny fahitana an'i Jesôsy niresaka tamin'ny vehivavy iray ireo mpianatra ireo; tsy nanontany Azy ny amin'izany anefa izy fa nandrisika Azy mba hihinan-kanina fotsiny.

Tetsy ankilan'izany dia nandao ny sininy ravehivavy ka nihazakazaka nankany an-tanana mba hizara ny fanandramana vao avy niainany niaraka tamin'i Jesôsy.

Vakio ny Jao. 4:30-42. Inona no nitranga taorian'io fihaonana io, ary inona ny lesona ampianarin'izany mikasika ny fielezan'ny filazantsara?

Toa hafahafa ny fahitana fa manapaka ny tantara momba ny fiovam-pon'olona maro tao amin'ilay tanana ny fitantaran'i Jesôsy mikasika ny fijinjana. Tian'i Jaona anefa ny hahitantsika ny fahatakaran'i Jesôsy ny zava-nitranga. Zava-dehibe lavitra ho Azy mihoatra noho ny fihinanan-kanina ny fizarana ny drafi-pamonjena tamin'ny vehivavy Samaritana iray. Ny hitarika ny fanahintsika ho amin'ny famonjena no tanjony, ary nampiasa io fotoana fanararaotra io Izy mba hampianarana ny mpianany ny fahamehan'ny fizarana ny filazantsara amin'ny olona rehetra, eny fa na ireo izay tsy mitovy amin'izy ireo aza.

Misy toe-javatra manan-danja maro ao amin'ny filazantsaran'i Jaona, ary azo antoka fa anankiray amin'izany ny Jao. 4:39-42. Maro tamin'ireo Samaritana no nino noho ny fijoroana ho vavolombelona nataon'ilay vehivavy izay nilaza hoe: "Nolazainy tamiko avokoa izay rehetra nataoko" - Jao. 4:39.

Nangataka tamin'i Jesôsy ny mba hijanonany teo aminy ireo Samaritana. Vokatr'izany dia nitombo ny isan'ireo nino noho ny amin'ny Tenin'i Jesôsy. "Ary maro koa no nino noho ny teniny ka nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao." - Jao. 4:42.

Inona no tokony hambaran'io tantara io mikasika ny herin'ny fijoroana ho vavolombelona na dia olona iray ihany aza no manao izany? Manao ahoana ny herin'ny fijoroanao ho vavolombelona ny amin'izay nataon'i Jesôsy teo amin'ny fiainanao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal