Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy

Daty
Alatsinainy 05 May 2025

Nokianin'ny olona sasany ny rafi-pisoronana sy ny mombamomba azy rehetra, ka nolazainy fa fanao tsy mifaditrovana, masiaka, ary amin'ny lafiny iray, tsy ara-drariny izany. Kanefa, izany indrindra no hevitra fonosiny. Maty tamin'ny fomba tsy mifaditrovana, feno fahasiahana, ary tsy ara-drariny i Kristy - Ilay tsy manan-tsiny maty ho an'ny olo-meloka. Izany no tsy maintsy natao mba hamahana ny olan'ny fahotana. Ary io fahafatesan'i Kristy io, no notondroin'ireny sorona rehetra ireny.

Vakio ny Heb. 10:3-10. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika momba ny fanatitra nataon'ny vahoakan'Andriamanitra tao amin'ny TT? Raha tsy mahavonjy marina ny mpanota akory ireny, nahoana no natao Ihany?

Tandindona ihany ny zanak'ondry sy ireo biby hafa atao fanatitra, natao haneho Ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra hatao fanatitra ho fanavotana. Finoana no nanaovana izany; nomena fomba azo tsapain-tanana ny mpanota hahafahany maneho finoana ny asan'llay Mesia ho avy. Ireo biby atao fanatitra no antsoina hoe "tandindona", fa i Jesôsy no "tena izy".

Mitovitovy amin'ny fandoavana saran-dalana nyfanaovana ireofombafombam-pivavahana amin'ny fanatitra. Rehefa mividy tapakila handehanana fiaran-dalamby na fitateram-bahoaka na fiaramanidina ianao, dia tsy afaka misitraka ilay dia eo no ho eo ihany. Fa taratasy na tapakila kosa no omena anao, izay marika mampanantena fa ho azonao atao tokoa ilay dia amin'ny hoavy. Na ipetrahanao araka izay fomba itiavanao azy aza io sombin-taratasy io, dia tsy hitondra anao velively any amin'ny toerana tokony halehanao. Saingy rehefa tafiditra ny fiara na ny fiaramanidina kosa ianao ka manomboka ny dianao, dia efa azonao izany ilay nandoavanao vola teo; tsy ilaina intsony ilay tapakila taratasy.

Toy izany koa ny amin'ireo fanatitra alatsa-dra. Nitana anjara asa lehibe izy ireo, kanefa rehefa tonga ilay fanatitra tena izy, dia tonga tsy misy vidiny intsony izy ireo. Nohamafisina izany fahamarinana izany rehefa rovitra ilay efitra lamba nanasaraka ny fitoerana masina sy ny fitoerana masina indrindra tamin'ny fotoana nahafatesan'i Jesôsy . "Ary ny efitra lamba tao amin'ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany." - Mar. 15:38. Nanondro ny fahafatesan'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana avokoa ny rafi-pisoronana sy ny tempoly manontolo. Nanjary tsy nilaina intsony ny tandindona rehefa tanterak'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana ilay fanatitra tena izy ka nitsangana tamin'ny maty tamim-boninahitra Izy.

Saino ny maha-ratsy indrindra ny fahotana, hany ka tsy nisy nahazoana nanavotra antsika afa-tsy ny fahafatesan'i Jesôsy , Ilay Teny tonga nofo (jereo ny Jao. 1:1-3,14). Inona no tokony hambaran'izany amintsika mikasika ny tokony ho fihetsitsika manoloana ny fahotana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (34)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal