1 Mampiditra lohahevitra vaovao i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 12:1, amin'ny alalan'ny teny hoe: "Ary ny amin'ny...". Miady hevitra ireo manam-pahaizana momba ny Bai-boly mba hahalalana raha toa izy miresaka momba ny "fanomezam-pahasoavana" na ny "olona ara-panahy", satria ny teny grika tön pneumatikōn dia azo adika araka ireo hevitra roa ireo. Na izany aza, ny hoe "fanomezam-pahasoavana" no heverina fa mety kokoa, satria ao amin'ny 1 Kor. 12:4 dia miresaka mazava momba ireo fa-nomezam-pahasoavana i Paoly. Marihiny ao amin'ny 1 Kor. 12:2-3 fa ny fiaikena amim-pahasahiana ny maha-Tompo an'i Jesôsy no fanomezana voalohany indrin-dra avy amin'ny Fanahy. Tamin'ny andron'ny Testamenta Vaovao mantsy, ny filaza-na fa i Jesôsy no Tompo dia toy ny fandavana fa tsy i Kaisara no tompo (Asa. 17:7; jereo koa ny Jao. 19:12, 15). Noheverina ho fikomiana tamin'ny fahefana romanina izany ka mety hiteraka famaizana hatramin'ny fahafatesana.
Nasongadin'i Jesôsy, ary i Paoly koa, fa ny finoana an'Andriamanitra - eny fa na dia eo anoloan'ny fanenjehana sy ny fandrahonana ho faty aza - dia fanomezana avy amin'ny Fanahy. Raha ny marina, dia ny finoana no fototr'ireo fanomezam-pahasoa-vana hafa rehetra. Tsy mahagaga àry raha toa ny finoana no eo amin'ny laharana voalohany ao amin'ny lisitra tanisain'ny 1 Kor. 13:13. Mazava ny fanambaran'i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 12:9 fa fanomezam-pahasoavana ny finoana. Na izany aza, dia maro koa ireo fanomezam-pahasoavana hafa. Ny fizarazaran'ny Fanahy Masina ireo fano-mezam-pahasoavana samihafa "ho azy rehetra avy araka ny sitrapony"- 1 Kor. 12:11, dia manaporofo fa manan-danja sy mahasoa avokoa izy rehetra.
Vakio ny 1 Kor. 12:1-6. Inona no asongadina ao amin'ireo toko sy andininy Ireo?
Ny famerimberenana ny hoe "samy hafa" dia manasongadina fa maro ny fano-mezam-pahasoavana. Izay antsoin'i Paoly hoe "zava-panahy" ao amin'ny 1 Kor. 12:1 dia velabelariny bebe kokoa ao amin'ny and. 4-6, amin'ny lafiny telo miavaka tsara: "fanomezam-pahasoavana" (charisma), "fanompoana" na "asa fanompoana" (diakonia), ary "asa" (energēma). Na dia manana heviny samy hafa aza ireo teny ireo, dia tsy tokony havahana loatra, satria mifandray izany ao anatin'ilay andininy. Tsara homarihina koa fa ny fanomezam-pahasoavana dia natao hampiroboroboana ny firaisana, izay miorina amin'ny toetran'Andriamanitra telo izay iray (jereo koa ny Efes. 4:8-11). Ny Fanahy no manolotra ny fanomezam-pahasoavana ho an'ny mpino, ary Andriamanitra Ray no manome azy ireo ny hery hanompoany an'i Kristy ao aminy fiarahamonin'ny mpino (1 Kor. 12:5, 6). Ny mpino tsirairay no tolorana fanomezam-pahasoavana (1 Kor. 12:11), nefa ireo rehetra ireo dia natao hanasoavana ny fiangonana manontolo.
Mariho indray ny fanasongadinan'i Paoly ny firaisana. Nahoana izany no manan-danja tokoa ho an'ny fiangonana?