Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho

Daty
Alahady 11 May 2025

Taona vitsivitsy lasa izay no nanapahan'ny fiangonana iray hevitra hanavao ny lakavy efa tranainy mba hanaovana efitrano fiarahana mivavaka. Nametraka jiro vaovao no nataon'izy ireo voalohany satria noheveriny fa hahatonga ilay efitra ho tsara tarehy izany. Raha vao voapetraka anefa ireo jiro, dia vao mainka niseho ny faharatsian'ilay efitrano, satria maneho ny tsy fahatomombanana ny fahazavana mamiratra.

Nahatonga an'i Isaia nahatsapa tamin'alahelo ireo tsy fahatanterahany ny fahitana mahatalanjona nomena azy momba ny seza fiandrianan'Andriamanitra. "Lozako!" hoy ny fitarainany, "maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin'ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny mpanjaka, dia Jehôvah, Tompon'ny maro, no efa hitan'ny masoko." - Isa. 6:5. Ho tahaka izany koa no tsapantsika raha toa isika entina eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra. Mazava tokoa ny famirapiratany ka mahaisotra ireo fialan-tsiny rehetra mety hananantsika. Tsapantsika ny maha-very antsika, rehefa eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra. Zava-mahagaga tsy mbola niainany hatrizay no natrehin'i Isaia tamin'izany.

Vakio ny Isa. 6:6-8. Fantatr'i Isaia fa ny fahotana dia midika ho "fahafatesana" ho antsika. Ny fahafatesana mantsy no tambin'ny ota. Tsy namela antsika iharan'ny vokatry ny fahotana anefa ilay Andriamanitra fitiavana fa manintona antsika hanakaiky Azy bebe kokoa. Inona no vokatr'io fihaonana io, ary nahoana izany no zava-dehibe?

Voadio tamin'ny fahotany i Isaia rehefa naka vainafo avy teo amin'ny alitara ny serafima iray ary nampitehika izany tamin'ny vavany. Azo heverina fa teo amin'ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra izany, izay nanaovana fanelanelanana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra (jereo ny Apôk. 8:3,4). Voavela ny fahotany, ary izao dia noraisina ho mendrika hijoro eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra izy mihoatra noho izany anefa, dia nirahina hisolo tena an'Andriamanitra any amin'izao tontolo izao izy.

Mahaliana fa ny teny hoe "serafima" dia midika hoe "ilay mirehitra". Mariho ny teny nanoritsoritan'i Jesôsy ny asa fanompoana nataon'i Jaona Mpanao batisa ao amin'ny Jao. 5:35: "Izy dia jiro nirehitra ka nazava; ary nahafinaritra anareo ny nifalianareo vetivety [ora iray] tamin'ny fahazavany." Na dia mpanota aza i Jaona, nila fahasoavana sy famonjena, dia nampitodika ny olona ho amin'llay hitondra fahasoavana sy famonjena ny asa fanompoany.

Tonga tety amin'ny maha-fanehoana tonga lafatry ny voninahitry ny Ray Azy i Jesosy -ary Andriamanitra dia naniraka mpaminany iray, olona mpanota, izay nanao asa mitovy amin'izay nataon'ilay, serafiman'ny lanitra.

Rehefa fantatr'i Isaia fa voasasa ny fahotany vao nilaza Izy hoe: "Inty aho, iraho aho." Ahoana no hamallan'ny tsirairay avy amintsika tahaka izay nataon'l Isaia teto, rehefa voasasan'ny ran'i Jesôsy ny fahotantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal