Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa

Daty
Alatsinainy 12 May 2025

Raha vantany vao noroahina tao amin'ny saha ireo ray aman-drenintsika voalohany, dia nanome ny fanantenana momba ny Mesia Andriamanitra (Gen. 3:15). Rehefa izay dia nametrahany famantarana lehibe teo amin'ireo vavahadin'i Edena: kerôbima roa niaraka tamin'ny hazavana mamirapiratra teo anelanelan'izy ireo. Tsara ny mahatsiahy fa misy fitoviana betsaka amin'ny fiaran'ny fanekena io sary io, izay maneho ny seza fiandrianan'Andriamanitra (Eks. 25:18).

Vakio ny Gen. 3:21-24. Inona ny asa nampiandraiketina ny kerôbima, ary inona no anton'izany?

Azo antoka fa nomena andraikitra hiaro ireo mpanota tsy hanatona ny hazon'aina ireo kerôbima (Gen. 3:22), nefa mampiseho fanantenana sy fampanantenana koa izy ireo, fa indray andro any dia haverina indray ao amin'ny paradisa ny taranak'olombelona. "Mbola nitoetra ela teto an-tany ny sahan'i Edena taorian'ny nandroahana ny olombelona tsy hanitsaka ireo lalana mahafinaritra tao. Mbola navela hijery ilay fonenana tsy nanan-tsiny nandritra ny fotoana naharitra ilay taranaka lavo fa ny lalana niditra tao ihany no nosakanan'ireo anjely mpiambina ny saha. Naseho teo amin'ny vavahadin'ny Paradisa nambenan'ny kerobima ny voninahitr'Andriamanitra. Teo i Adama sy ireo zanany no niankohoka tamin'Andriamanitra. Teo no nanavaozan'izy ireo ny voadim-pankatoavany ny lalana izay nodikainy ka nahatonga azy ho voaroaka tsy ho ao Edena intsony. (...) Amin'ny fotoana izay hamerenana ny toe-javatra rehetra amin'ny laoniny kosa, rehefa hiseho ny 'lanitra vaovao sy tany vaovao' (Apôk. 21:1), dia haverina indray izany ka ho be voninahitra noho ny tamin'ny fotoana nanolorana azy voalohany." - Patriarchs and Prophets, t. 62.

Mahaliana koa ny teny ampiasaina ao amin'ny Gen. 3:24: ambaran'ny Baiboly fa "nampitoerin" Andriamanitra tany atsinanan'ny saha Edena ny kerôbima, ary ny teny hebreo nampiasaina tamin'izany dia ny hoe "shakan" izay fototenin'ny "tabernakely" masina (jereo ny Eks. 25:9; Nom. 3:26), toerana izay nitoeran'ny fanatrehan'Andriamanitra teo amin'ny vahoakany. Na dia tsy hita ao amin'ny Baiboly aza ny teny fampiasan'ny maro hoe Shekinah, mba hilazana ny fanatrehan'Andriamanitra, dia mifototra amin'io teny izay adika matetika hoe "tabernakely" io koa izany. Azo adika ara-bakiteny tahaka izao ny shakan, araka izany: "Nanao tabernakely ho an'ny kerôbima tany atsinanan'ny saha Edena Andriamanitra."

Ampifandraisina amin'ny fanatrehan'Andriamanitra ny kerôbima ao amin'ny Baiboly (jereo ny 1 Tant. 13:6; Sal. 80:1 ary ny Isa. 37:16), indrindra amin'ny seza fiandrianany izay iantsoana ny Anarany. Tokony ho voamaritsika fa ireo loholona 24 izay manatrika ny seza fiandrianan'Andriamanitra ao amin'ny Apôk. 4 sy 5 dia manao hira fiderana ho Azy sy manambara ny zo ananany amin'ny maha-Mpamorona ny zavatra rehetra Azy (Apôk. 4:11). Manampy antsika izany hahatakatra ny toe-javatra miseho eo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny toerana tanantsika amin'ny maha-mpanota voavela heloka antsika eo amin'ny fifandraisana amin'ilay Mpahary antsika.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal